• Efa tonga any Vatican Roma, ireo Evekan'i Madagasikara hanatontosa fivahiniana masina. Hisy ny fihaonan'izy ireo amin'ny Papa Léon XIV, amin'ity dian'izy ireo ity... • Rahampitso no hifanatrika mivantana eny Tsimbazaza ireo mpikamban'ny Governemanta, hotarihin'ny Praiminisitra, sy ireo Solombavam-bahoaka... • Fanararaotra lehibe ho an'ireo mpandraharaha eto Madagasikara ny handraisan'i Madagasikara ny fihaonana an-tampon'ny SADC, afaka volana vitsy...

♦ Afahana mitondra ny hetahetan'ny vahoaka eny ifotony ny fihaonana mivantana hiarahan'ny mpanatanteraka sy ny députés manomboka rahampitso hoy Andriamatoa Imbiky Herilaza... ♦ Malagasy 2,3 tapitrisa no mivelona mivantana amin'ny fanaovana asa-tanana, nampidi-bola 32 tapitrisa Euros tao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna izany ho an'ny taona 2024... ♦ Atsantsa milanja 16 taonina mahery, tra-tehaka tamina sambo mpanjono Sri-lankais ... ♦ Nankatoavin'ny Fiketrahana Masina tamin'ny volana marsa teo, ny fahamarinan'ny fisehoan'ny endrik'i Jesoa Kristy tamin'ny Hostia iray, nandritra ny Sorona Masina tao amin'ny Paroasy ambanivohitry ny Faritra atsimon'i Inde...

♦ Fivoriana nikaton-trano niresahana ny teti-bola natokana ho an'ny solombavambahoaka no nampanantsoana ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola teny Tsimbazaza omaly... ♦ Ampiratiana eny amin'ny Kianjan'i Barea Mahamasina ireo dingana sy sedra nolalovan'ny foloalindahy malagasy nandritra ny 65 taona nijoroany... ♦ Any Taiwan : olona ambony eo anivon'ny fitondrana no nomelohan'ny fitsaràna ho mpitsikilo avy amin'ny fitondrana Sinoa araka ny didy nivoaka omaly talata... 

11 jona — Raha ny filazan’ny Asan’ny Apôstôly, i Barnabé dia Jody avy amin’ny fokon’i Lévi. Teraka tao Chypre izy io tamin’ny fotoana nanjanahana ny Jody tamin’ny vanim-potoanan’i Alexandre le Grand. Nobeazina tao amin’ny kolontsaina grika i Barnabé.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...