♦ Miantso ny hanangànana Governemanta hanarenana ny firenena ny Vondrona Pôlitika PAM, izy ireo mijoro ho mpanelanelana hisian'ny fifampiresahana eo amin'ny mpitondra sy ny mpanohitra... ♦ Manamarina ny fisian'ny trangan'aretina kitrotro amina Distrika vitsivitsy eto amin'ny nosy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Profesora Zely Arivelo Andriamanantany... ♦ Ady amin'ny fahalotoana rivotra, rano ary tany, nisitraka fitaovana fanaraha-maso sy fandrefesana ny merkiora ireo pôlisin'ny tontolo iainana... ♦ Nahemotra ho amin'ny 19 septambra ny famoahan'ny Fitsarana ara-miaramila ao RDC ho an'ny filoha telo aloha Joseph Kabila...
Nahoana no ela vao tonga tany amin'ny tany nampanantenaina ny zanak'Israely : satria vahoaka maro an-tapitrisany ireo ahitana ankizy, tanora, be antitra, bevohoka ka ireny isany nampiisatra ny dia, mila fandaminana matotra ; sady vahoaka samy manana ny heviny sy ny toetrany, maro ireo vahoaka nimenomenona, ary saika nanadino ny fisian'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Miantso ny hisian'ny diniky ny hery velona rehetra ny vondrona telo tonta PAM, hitadiavana vahaolana ho an'ny firenena... • Nambaran'ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray fa hiteraka fiantraikany goavana amin'ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara, raha sanatria ho tapaka ny AGOA. Asa miisa 70.000, no mety ho very vokatr'izany... • Miatrika ireo krizy telo lehibe maneran-tany isika eto Madagasikara: toy ny fiovan'ny toetrandro, ny fandotoana ary ny fahapotehana haingan'ireo zava-boahary...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco