• Niantso ny Interpol sy ny FBI ary ny Aviation Civile iraisam-pirenena ny fanjakana malagasy, noho ny raharaha Boeing mitondra laharana malagasy any Iran. Nanazava ny momba izay ny Praiminisitra androany... • Mety hanova ny fanapahan-kevitr'Andriamatoa Donald Trump momba an'i Madagasikara ity raharaha fiaramanidina tafiditra any Iran ity, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray. Nambarany fa asa 7 alina farafahakeliny no mety ho very eto Madagasikara anatin'ny AGOA... • Handray ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika amin'ny taranja Karate i Madagasikara amin'ny taona 2026. Nampahafantatra izany ny Filohan'ny Federasiona androany, tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato...

♦ Nesorina tamin'ny toerany ny Ministry ny Fitanterana sy ny Famantarana ny Toetry ny andro, Ramonjavelo Valéry, nandritra ny filan-kevitry ny ministra manokana notanterahina omaly talata 29 jolay... ♦ Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Toliara ny mpitarika ny Antoko Otrikafo Elia Rabevahiny, ny antoko izay avy namoaka fanambarana omaly talata milaza ho manahy amin'ny mety hisian'ny ra mandriaka ateraky ny fananganana fikambanana VOROMAHERY... ♦ Herinandro ho an'ny indostria eo anivon'ny SADC taona 2025 : Miondrana any amin'ireo firenena ivelan'ny rafitra avokoa ny 80% ny vokatra tokony hiodina eo anivon'ny SADC...

Jesoa Kristy dia olona iray, tonga teny tonga nofo, manana fomba roa satria sady tena Andriamanitra no tena olombelona ihany koa. Ny anjara asan'i Masina Maria manoloana ny tantaram-pamonjena dia mazava araka ny foto-pampianaran'ny Eglizy araka ireo lova-panahy voatahiry, miainga amin'ny Testamenta Taloha... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Tsy Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro intsony, Andriamatoa Valéry Ramonjavelo, araka ny didim-panjakana nosoniavin'ny Filohan'ny Repoblika androany. Ny Praiminisitra Ntsay Christian no hisahana vonjimaika ny andraikitra, mandram-panendrena Minisitra vaovao... • Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany ny “Herinandron'ny fampiroboroboana ny Indostria”. Hetsika ara-toekarena hatramin'ny voalohan'ny volana aogositra izao. Nanokatra izany ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... • Nosoniavina androany ny fifanarama-piaraha-miasa eo amin'ny samy kaominina manamorona ny Lalam-pirenena faha-3, manomboka eo Ambohitrabiby hatrany Anjozorobe, hiatrika ny fiovan'ny toetr'andro...

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...