9 marsa 2025 — Alahady Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 1-13)

Alahady voalohany – taona D, Karemy : Fahafoizana ho an’Andriamanitra ; Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra. Jesoa nalain'ny demony fanahy tany amin'ny tany efitra no resahin'ny Evanjely, ny demony dia antsoina hoe mpampisaraka amin'Andriamanitra. Ny tany efitra dia manambara ny fisitahana, fahanginana, fivavahana, ary manambara ny fisedrana (irery, anoanana, fakam-panahy...). Miala maina ny demony rehefa miankina amin'Andriamanitra sy ny teniny isika. Ny tena harena dia Andriamanitra irery, aoka isika hafoy ny rehetra noho ny amin'Andriamanitra...

Ny vehivavy no matetika no voapanga ho momba, anefa tokony aorian'ny fizaham-pahasalamana eo amin'ireo mpivady vao afaka milaza hoe iza amin'ireo mpivady no momba. Mila arahina maso akaiky ny fahasalamana ara-pananahan'ny vehivavy, vao teraka hatramin'ny fotoana maha maoty azy. Ny antony : tsy misy fahamasahan'ny atodinaina ao amin'ny vehivavy, fahatsentsenan'ny fantsona mitondra ny atodinaina, aretina fokatry ny firaisana ara-nofo, fikorontanan'ny fadimbolana. Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Efa nivoaka an-dranomasina ilay andro ratsy izay nitety ny tapany avaratry ny nosy. Hitohy ny rotsak'orana indrindra ny ilany afovoany-atsinanan'ny nosy hoy ny Météo...
  • Makotroka ny ivon'ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ao Mahajanga ao. Naharaisana akony izany...
  • Voarohirohy tamin'ilay fitifirana an-dRasazy Narindra, ben'ny tanàna tao Mangataboahangy ny anadahiny. Nadoboka am-ponja niaraka tamin'ireo olona 16 hafa izy, omaly...
  • Manomboka mamaha ny olan'ny fandaharan'asa nokleary iranianina ny filoha amerikanina Donald Trump. Fifampiraharahana na fidirana an-tsehatra ara-miaramila no vahaolana hoy izy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...