7 marsa 2025 — Zoma, manaraka ny Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-15)
• Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny Andro Nasiônaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faha-2 hatao any Morondava... • Mangataka ny hamiliana ny fanitaran-dalana anatin'ny tetikasam-panjakana, ireo mponina voakasik'izany ety amin'ny Kaominina Ivato... • Misy andro ratsy andalam-piforonana ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Vinavinaina ho lasa rivodoza ato anatin'ny 48 ora izy io...
Ny fototra iorenan'ny fanabeazana dia ny fifampatokisana, ny fahamarinana ary ny fitiavana. Ny fifampatokisana dia mampandroso sy mampivelatra ny ankohonana ; itsy voalohany koa dia mampirindra ny fiaraha-monina. Ny fifampitokisana dia mampisy fifanakaikaizana am-po amin'ny alalan'ireo fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra, fiarahana manao zavatra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco