14 febroary — I Cyrille dia teraka tao Thessalonique ny taona 827 ary maty ny 14 febroary 869 tao Roma. Méthode rahalahiny kosa dia teraka ny taona 815 tao Thessalonique ihany ary maty ny 06 aprily 885 tao Grande Moravie.

Nampianatra antsika hivavaka i Jesoa rahefa nivavaka Izy. Nanomboka tamin'ny toriteny teo an-tendrombohitra, nanantitrantitra ny amin'ny fibebahan'ny fo i Jesoa, isan'ireny ny fitiavana ny fahavalo sy ny vavaka ho an'ny mpanenjika. Mampianatra antsika ny fahasahian-janaka i Jesoa, tahaka ny nivavahany tamin'Andriamanitra Ray... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

• Miroso lalindalina kokoa ny dingana hananganana ho Olomasina ireo Olontsambatra Malagasy... • Mbola fitaovan-tserasera mankaiky vahoaka indrindra ny Radio, eto Madagasikara. Andro maneran-tany ho an'ny Radio, ny andron'ny 13 febroary... • Nangataka fampakarana 30% amin'ny karama farany ambany ny Fiaraha-midiniky ny Mpiasa Malagasy, ho an'ity taona ity. Nisy ny dinika niresahana izany tamin'ireo vondron'ny mpampiasa amin'ny sehatra tsy miankina...

  • Tafahoatra hoy Ramatoa Sophie Ratsiraka ny fanenjehana sy ny fisamborana ireo mponina ao Antanambao-Mahatsara noho ny fitakiana nataony. Tanàna haolo no hita ao hoy ity solombavambahoaka voafidy tao Vatomandry ity ary zara raha misy mpianatra ny sekoly...
  • Marihana androany ny andro eran-tany ho an'ny RADIO. Hisy anio tolakandro ho antsika eto Madagasikara ny fandaharana iombonan'ny onjam-peo maro hanehoana ny fanamarihana izany...
  • Tratry ny mpitandro filaminana tamin'ny lalam-pirenena faha-12, alina ireo nangalatra ilay zaza varira tao amin'ny tanàna iray tao Vohipeno. Avotra soa amantsara ilay zaza...
  • Tanterahana any Frantsa androany ny fikaonandoha iraisam-pirenena faha-3 handinihana ny momba an'i Syrie...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...