• Nihaona tamin'ny Papa François tao Vatican omaly ny Birao maharitry ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara. Nisy ny hafatra nampitainy ho an'ny Eglizy eto Madagasikara...
  • Mitaky ny hanatsarana ny fitazomana an'i Fernand Cello am-ponja eny Antanimora na ny aza hamontsorana eny mihitsy ny "Reporter Sans Frontière". Efitra hamonjàna jiolahy no hametrahana azy hoy ny RSF...
  • Hisy indray ny hetsika fanenjehina ireo olon-tsotra misalotra fanamiana miaramila. Hisy ny fanentanana ataon'ny Emmonat ao anatin'ny 5 andro, mialohan'ny fampiharan-dalàna...
  • Naaton'ny Hamas ny fanafahana ireo bado an'ady israelianina tavela any amin'ny faritra GAZA. Fanitsakitsahana ny fifanarahana natao izany hoy i Israel, omaly...

11 febroary — Natokan'ny Fiangonana hankalazana an'i Masina Maria niseho tany Lourdes ny 11 febroary. I Masina Maria izay nambara fa nanalefaka ny fijalian'ny olona maro teo amin'io toerana io ary nampihavana fanahy maro tamin'Andriamanitra.

Vavaka faharoa notanterin'i Md Joany (Jo 11, 41-42) ny talohan'ny fananganana an'i Lazara ho velona ; mialoha ny zava-niseho ny fisaorana : "Misaotra Anao Aho, Raiko satria efa nihaino Ahy Ianao", izay midika hoe mihaino lalandava ny fangatahany ny Ray. Nampian'i Jesoa teo no eo hoe : Raha Izaho dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

• Nihaona tamin'ny Papa François tany Vatican, androany maraina, ireo mpikambana ao amin'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... • Manaraka akaiky ny raharahan'i Fernand Cello ny RSF, ka mitaky ny hijerena ny mahaolona, manoloana ny fitazonana azy eny Antanimora... • Nesorin'ny Mouvement Gascar tao anatin'ity Vovonana ity i Mahery Miller. Nolaviny ny filazana azy ho nivadika...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...