♦ Hatomboka ny fanamboarana ilay lalam-be migodana mampitohy an'i Toamasina sy Antananarivo. Androany no natao teny Iavoloha ny fifanaovan-tsonia hanamboarana izany... ♦ Mitaky ny hampiakarana ny teti-bola ho an'ny Minisiteran'ny Tontolo iainana, ho fiarovana ireo harena voajanahary, ny vondron'ireo fiaraha-monim-pirenena... ♦ Hiverina hamboly amin'ny taniny ireo tantsaha any amin'ny Kaominina Ambahikily sy Tanandava Station, Distrikan'i Morombe, tao aorian'ny dimy taona nanajarian'ny fanjakana azy...

♦ Hanohana ireo sekoly ambaratonga voalohany tsy miankina, hanalefahana ny vesatra iantsorohan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra, ny fanjakana. Sekoly tsy miankina 700 mahery manerana ny nosy no histraka izany... ♦ Hidina sy manentana ary hanisa mpifidy any amin'ny orinasa, manomboka ny 15 nôvambra ny CENI. Vita sonia niarahana tamin'ny FIV.MPA.MA. ny fifanarahana momba izany... ♦ Tantsaha 43000 eo ho eo no hisitraka zezika sy masomboly na doria, avy amin'ny fanjakana manomboka izao volana nôvambra izao, hatramin'ny volana jona 2023...

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 2, 1-5

Hanangona ny firenen-drehetra ny Tompo: hiadana izy ireo ao amin'ny Fanjakan’Andriamanitra

Ny teny hitan’i Izaia, zanak’i Amôsa momba an’i Jodà sy i Jerosalema.

Izao no ho tonga any amin’ny andro farany:
ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo,
hatao eo an-tampon’ny tendrombohitra,
sy hasandratra ho eo ambonin’ny havoana.

Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy,
ary firenena maro no ho avy hilaza hoe:

“ Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo,
any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba;
hampianatra antsika ny Lalàny Izy,
ary hizotra amin’ny lalany isika.
Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna,
ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’ny Tompo. ”

Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy,
ary ho mpitsara ny firenena maro.
Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby,
ary ny lefony ho antsy fijinjana.
Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa,
ary tsy hianatra ady intsony ny olona.
Avia, ry taranak’i Jakôba,
ka aoka handeha amin’ny fahazavan’ny Tompo isika.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 121, 1-2. 34a. 4d-5. 6-7. 8-9

Faly aho nilazana hoe: “ Andao isika ho any an-tranon’ny Tompo ”

Faly aho raha hoy ireo havako:
“ Ndao ho any an-tranon’ny Tompo! ”
Indro ny tongotray, ry Jerosalema,
mijadona eto am-bavahadinao.
I Jerosalema tanàna tsara rafitra,
mirindra tsy manan-tsahala
natao mba hiakaran’ireo foko,
dia ny fokon’i Israely.
Fa didy ho an’i Israely ny mankao
mba hidera ny Anaran’ny Tompo
Ao no toerana ijoroan’ny fahefana,
iorenan’ny fianakavian’i Davida.
Irario “ Fiadanana! ” i Jerosalema
“ Fiadanana ho an’ny trano ao aminao!
Fiadanana ho an’ny mandanao!
Fiadanana ho an’ny tilikambonao! ”
Noho ny havana aman-tsakaizako,
hoy aho hoe “ Fiadanana anie ho anao! ”
Noho ny tranon’ny Tompo Andriamanitsika,
Avelao aho hirary soa ho anao!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 13, 11-14

Akaiky ny famonjena antsika

Ry kristianina havana,
fantatsika ny andro,
fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao;
fa ankehitriny, akaiky antsika ny famonjena
fa tsy tahaka ny fony isika vao nino.
Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro,
ka ario ny asan’ny maizina.
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro,
tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana,
tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana,
tsy amin’ny fifandirana na fialonana;
fa itafio i Jesoa Kristy Tompo,
ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filàny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao!
Ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 24, 37-44

Miambena ianareo, ary aoka ho vonona

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe:

“ Tahaka ny tamin’ny andron’i Nôe,
dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona.
Fa tamin’ny andro nialoha ny safo-drano,
dia nihinana sy nisotro
ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona,
mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara,
ka tsy nahalala izy ireo
raha tsy efa tonga tokoa ny safodrano,
izay nandringana azy rehetra:
dia ho toy izany indrindra ny fiavian’ny Zanak’olona.
Amin’izany,
amin’ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha,
dia horaisina ny iray, ary havela ny iray;
amin’ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarina,
dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray.
Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro
hiavian’ny Tomponareo.
Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano
izay ora hiavian’ny mpangalatra,
dia hiambina izy
fa tsy havelany hotamîna ny tranony.
Koa aoka àry ho vonona koa ianareo,
fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona ”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 11, 1-10

Hotsarainy ara-drariny ny madinika

Amin’izany andro izany,
hisy rantsana hipoitra amin’ny fototr’i Jese,
ary hisy solofo haniry avy amin’ny vahany.
Hitoetra eo aminy ny Fanahin’ny Tompo,
dia ny Fanahy fahendrena amam-pahazavan-tsaina,
Fanahy fifidianana amam-paherezana,
Fanahy fahalalana amam-pahatahorana ny Tompo.
Ny fahatahorana ny Tompo no fototry ny fahafinaretany.
Tsy hitsara araka izay miseho amin’ny masony izy,
na hanapaka araka izay ren’ny sofiny.
Ny madinika hotsarainy ara-drariny,
ary ny mpietry eto an-tany
dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina.
Hikapoka ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy,
ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.
Fahamarinana no hisikinany,
ary fatra-po mahatoky no ho fehikibony.

Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry,
ny pantera hiara-mandry amin’ny zanak’osy;
ny zanak’omby sy ny liona aman’omby mifahy,
hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy.
Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin’ny tanim-bilona iray,
ny zanak’ireo, hiray trano fandriana;
ary ny liona hihinam-bilona hoatra ny omby.
Ny zaza minono hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana;
ary ny zaza vao misara-nono
hanao ny tanany ao andavaky ny baziliky.
Tsy hisy hampidi-doza na handrava,
eran’ny tendrombohitra masina,
satria ny tany ho feno fahalalana ny Tompo,
toy ny fanambanin’ny ranomasina feno ny rano manarona azy.
Izao no hiseho amin’izany andro izany:
Ny solofon’i Jese,
voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa,
dia hotadiavin’ny firenena
ary ho be voninahitra ny fonenany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 71, 2. 7. 8. 12-13. 17

Ny rariny hamony amin’ny androny, ary ny fiadanana hitombo raha mbola eo ny volana

Andriamanitra ô, omeo ny fahefanao ny mpanjaka,
omeo ny fahamarinanao ity taranak’andriana:
ka ny olonao hotsarainy ara-drariny,
ny malahelonao araka ny hitsiny.
Ny rariny hamony amin’ny androny,
ny fiadanana hiroborobo mandavan-taona.
Ny fifehezany, dia hatramin’ny Ranomasina
ka tonga amin’ny Ranomasina;
manomboka amin’ilay Ony ka mipàka amin’ny faran’ny tany.

Izy hanafaka ny ory mitoloko
sy ny madinika tsy manan-kanampy;
ny osa, ny mahantra hotsimbininy,
ny ain’ny malahelo hovonjeny.
Ny anarany haharitra toy ny masoandro,
ho voatso-drano mandrakizay.
Izy ho fitahiana ny fokon’ny tany tontolo,
hataon’ny firenena rehetra hoe “Sambatra!”

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 15, 4-9

I Kristy no hahatonga ny olombelona rehetra ho voavonjy

Ry kristianina havana,
izay rehetra voasoratra taloha
dia natao ho fianarantsika,
mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana
sy ny fanalana alahelo
avy amin’ny Soratra Masina.
Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie
hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa,
mba hiarahanareo mankalaza
an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
amin’ny fo iray sy vava iray.

Koa mifandraisa ianareo,
tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo,
mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Fa i Kristy, dia lazaiko marina,
fa natao mpandraharaha ny voafora
mba haneho ny fahamarinan’Andriamanitra,
amin’ny fanatanterahana ny teny napetraka
tamin’ny razan’izy ireo;
ary ny Jentily kosa
dia mankalaza an’Andriamanitra noho ny famindram-pony,
araka ny voasoratra hoe:
Izany no hiderako Anao any amin’ny Jentily
sy hankalazako ny Anaranao.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany;
dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 3, 1-12

Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra

Tamin’izany andro izany,
dia niseho i Joany Batista,
nitory teny tany an’efitr’i Jodea nanao hoe:

“Mibebaha ianareo,
fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra”.

Izy no ilay voalazan’i Izaia mpaminany hoe:
Re ny feon’ilay miantso any an’efitra hoe:

“Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany”.

Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io;
fehikibo hoditra no tamin’ny andilany,
ary valala sy tantely remby no hanina fihinany.
Ary nankany aminy daholo i Jerosalema sy i Jodea rehetra
mbamin’ny tany manodidina an’i Jordany;
ka nony efa niaiky ny fahotany izy ireo,
dia nataony batemy tao amin’ny onin’i Jordany.
Ary raha nahita ny Farisianina sy ny Sadoseanina betsaka
nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy:

“Ry taranaky ny menarana,
iza no nanoro hevitra anareo
handositra ny fahatezerana ho avy?
Koa manaova àry asa fibebahana mendrika tsara;
ary aza manao anakam-po hoe:

“Manana an’i Abrahama ho rainay izahay”;

fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra
mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama
avy amin’ireto vato ireto.
Efa eo am-poto-kazo sahady ny famaky:
koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara
dia hokapaina, ka hatsipy any anaty afo.

Izaho dia manao batemy anareo amin’ny rano,
ho amin’ny fibebahana;
fa Ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho,
ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho;
Izy no hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
eny an-tanany ny fikororohany
ary hodioviny tsara ny famoloany,
ka ny variny hangoniny any an-tsompitra,
fa ny mololo kosa
hodorany any amin’ny afo tsy mety maty”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...