30 ôktôbra — Bienvenue Bojani no anaran'ity olontsambatra ity. Teraka ny taona 1255 tao Savogna di Cividale, Frioul tao Italie i Bienvenue. Mbola kely izy dia efa nanana fitiavana sy fanajana manokana an'i Masina Maria Virjiny.
Ny vondron'olona ihany koa dia tokony hiaina ao anatin'ny fahaizana mandanjalanja. Ilaina toe-po sy toe-piainana izany ka isan'ireny : finoana sy fiainam-bavaka, faharesen-dahatra, fahavononana hifandray amin'ny hafa. Ireto no dingana tokony harahina : famelomana ny vondron'nyy fiainam-pinoana amin'ny vavaka, mametraka ny fahaiza-mihaino ny hafa... Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Alahady 30 ôktôbra 2022 — Alahady Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 1-10
Ny pesta dia aretin'ny voalavo mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny parasy, na amin'ny alalan'ny piti-droran'ireo olona mararin'ny pesta, na amin'ny alalan'ny fikirakirana ireo biby mitondra ny aretina na mararin'ny pesta. Ny vanim-potoana mampirongatra ny pesta dia eo anelanelan'ny volana avrily hatramin'ny desambra anefa mety hitranga mandavan-taona ihany. Ny pesta atoditarimo dia mihombo ao anatin'ny 1 hatramin'ny 7 andro, ny pesta areti-tratra dia mety ho ao anatin'ny 24ora, ary ny pesta septisemika dia fotoana fohy. Fisorohana : fanadiovana ny manodidina, sy manoana voalavo. Ny aretina pesta dia aretina tsy maintsy ambara...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco