Alakamisy 3 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-10

♦ Ireo toromarika tsara ho fantatra momba ny fizotran'ny raharaham-pitsarana teny Anosy, nandritra ny fitokonan'ireo mpirakidraharaha. Niverina niasa androany ireo mpirakidraharaham-pitsarana manerana ny nosy... ♦ Mbola nanamafy androany, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, fa tsy maintsy hisy fandraisana andraikitra amin'ireo Solombavam-bahoaka mihoa-pefy amin'ny fitondran-tena tsy mendrika asehony amin'ny maha olom-boafidy azy... ♦ Miantso hatrany amin'ny tokony hanohizana ny fifanomezan-tanana ho fampandrosoana an'i Madagasikara, ny Filoha Nasiônalin'ny antoko MMM...

♦ Nihemotra indray ilay fihaonan'ny vaomiera iombonan'ny Frantsay sy Malagasy momba ireo nosy manodidina an'i Madagasikara na ireo "iles éparses". Tokony amin'izao fiandohan'ny volana novambra izao anefa no hizoran'izany any Paris... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany ny antoko RTM, tarihin'Andriamatoa Randriamampionona Joseph Martin momba ny toe-draharaham-pirenena. Tokony hisy, hoy izy, ny fikaonandoham-pirenena, raha ny toe-draharaha amin'ny fanomanana ny fifidianana amin'izao... ♦ Niverina hiasa nanomboka ny maraina teo, araka efa nampanantenainy ny herinandro teo, ny sendikan'ny mpirakidraharaham-pitsarana. Asa maro no miandry azy ireo, noho ny tsy nisian'ny raharaham-pitsaràna tao anatin'ny 3 herinandro...

♦ Nohamasinina ho Eveka omaly tany Poznan Pologne i Mgr Tomasz Grysa, izay notendren'ny Papa François ho Nonce apostolique eto Madagasikara... ♦ Amin'ny alina vao mahazo rano ny mponina eny amin'ny Kaominina Bemasoandro Itaosy. Nitady vahaolana ny Fikambanana Tsiorintsoa atsimondrano, nanangàna paompin-drano 4 eny an-toerana, notokànana tamin'ity fomba ôfisialy omaly... ♦ Tafatsangana tamin'ny fomba ôfisialy ny sampan'ny Fisemare tamin'ny tapany andrefan'Antananarivo. Tanjona ny hahazoan'ny sendikà ny mpiasa maro an'isa eny anivon'ny orinasa, mba hisian'ny fanajàna ny zon'ny mpiasa, araka ny voalazan'ny lalàna...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...