♦ Mitohy androany etsy amin'ny CCI Ivato ilay fikaonan-doham-pirenena momba ny fampiasam-bola ho an'ny fisandratan'i Madagasikara. Maro ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpisehatra amin'ny fampandrosoana momba ny PEM... ♦ Mpitandro filaminana iray no namoy ny ainy omaly, vokatry ny tifitra nataona jiolahy nanao fanafihana mitam-basy tany Toamasina. Nitifitra ireo mpitandro filaminana tao anaty fiara ireo mpanafika tamin'izao tranga izao... ♦ Hiatrika ny lalao miverina amin'i Panthers any Gabon ny Barea latsaky ny 23 taona. Nampanantena ny hanome ny tsara indrindra eo aminy ireo mpilalao sy ny staff-technique amin'ny fihaonana anio hariva...
♦ Nifarana omaly ny Visite Ad Limina nataon'ireo Evekan'i Madagasikara tany Roma. Sampan-draharaha lehibe efatra eo anivon'ny Fiketrahana Masina no namaranan'izy ireo izany fitsidihana sy fivahinianana izany... ♦ Nampanantena ny tsy maintsy hanarenana ny kaompania "Air Madagascar' ny filoham-pirenena omaly, tamin'ny fampahafantarana ny voarakitry ny P.E.M. Hitohy anio ilay fikaonan-doham-pirenena momba ny fampiasam-bola ho an'ny fisandratan'i Madagasikara ety amin'ny CCI IVato... ♦ Nanitsy ny Ministry ny Atitany omaly fa tsy ao anatin'ireo hatonta eny amin'ny trano pirinty tsy miankina ny taratasim-panjakàna fanamboarana kara-panondrom-pirenena. Niteraka resa-be teo amin'ny tontolo pôlitika tamin'ity herinandro ity...
29 ôktôbra — Teraka ny 09 jona 1837 i Michel Rua. Zaza farany amin'ny sivy mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Tamin'ny taona 1852 izy no niditra tao amin'ny Oratorio tao Valdocco. Indray andro dia niteny taminy i Don Bosco fa mifameno izy ireo. Izy no anisan'ireo nilazan'i Don Bosco voalohany ny hananganana ny fikambanana salezianina.
Mila ampifanatrehana ny antony manosika antsika hanao zavatra iray na ny antony tsy manosika antsika. I Jesoa Kristy maty sy nitsangan-kovelona no masontsivana fototra. Tsara homarihana fa tsy azo atao ny maka fanapahan-kevitra raha ao anatin'ny hafaliana sy alahelo, tokony ho ao anaty fitoniana hatrany. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco