♦ Tokony entanina hanatona ny fitsarana ireo olona tsy manana kara-panondrom-pirenena ka te hahazo izany, hoy ny antoko VHT na Vonona Hijoro ho an'n Tanindrazana... ♦ Homarihana any Toamasina amin'ny faran'ny herinandro izao ny Andro Eran-tany ho an'ny Angovo. Horesahana mandritra izany ny olana momba ny angovo, indrindra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena... ♦ Mila pôlitika mazava ny fifindra-monina eto Madagasikara, hisorohana ny fahasimban'ny ala andehanan'ny mpifindra monina, hoy ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany...
Nataon'Andriamanitra ho tsara indrindra amin'izay rehetra nohariny isika olombelona. Aoka tsy hosimbaina na holotoina na horavana izay hatsarana ao amintsika izay, dia ho hitantsika fa hihatsara sy handroso ary hivelatra ny fiainantsika.
♦ Hampihatra ny fepetra araka ny lalana ny Minisiteran'ny Fitsarana, manoloana ny fitokonana ataon'ny Mpirakidraharaham-pitsarana. Hihafara amin'ny fahatapahan'ny karama izany, hoy ny Minisitra Rakotozafy François... ♦ Miandrandra olona mahay sy zatra amin'ny diplômasia, hitantana ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, ny Sendikan'ny mpiasan'ny MAE. Manana olona mahafeno ny fepetra ho amin'izany ny sendika, araka ny nambaran'izy ireo... ♦ Manentana ny mpiompy hanoratra ny ombin'izy ireo ny Zandarimariam-pirenena. Anatin'ny fanisana ny omby ny eto Madagasiakara amin'izao...
20 ôktôbra — Niaina tamin'ny taonjato fahafito i Irène de Tomar na Irène du Portugal. Teraka tao Tomar tao Portugal izy ary kristianina mafana fo ny ray aman-dreniny. Nankinina tamin'ireo nenitoany, relijiozy, ny fanabeazana azy, dia i Julie sy i Chaste izany.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco