♦ Niteraka resa-be ilay fanapahan-kevitr'i Madagasikara nisafidy ho nanameloka an'i Rosia tamin'ny latsa-bato teo anivon'ny Firenena Mikambana. Maro ireo gazety nilaza fa tsy nakàna ny hevitry ny filoham-pirenena ny safidy natao tany... ♦ Namoaka fanambaràna ny antoko TIM momba ny fahitàny ny fizotry ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy tamin'ity volana ity. Miahiahy ilay "jugement supplétif" ny antoko satria tsy ampy ny fanamarinana, ka misy ireo hahazo kara-panondro maromaro...  ♦ Mitaraina ireo sekoly tsy miankina fa hanimba ny fanabeazana ny zaza Malagasy ny fisian'ireo "Cours" fakàna fanadinana mialohan'ny fotoana. Mahatsapa fitsoahan'ny mpianatra an-daharana izy ireo...

♦ Mandroso aloha noho ny vinavinaina ny asa fanamboarana amin'ny toby famokarana herinaratra any Andekaleka. Maherin'ny 70% amin'ny asa no vita hatramin'ny omaly tolak'andro... ♦ Atahorana hitombo ny trangan'aretina peste bubonique, noho ny fisian'ny dorotanety mahazo vahana tato ho ato. Nambaran'ny avy amin'ny dorotanety mahazo vahana tato ho ato. Nambaran'ny avy amin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka fa tsy ny aretin'ny taovam-pisefoana ihany no aterak'izany fa koa ny trangana pesta ihany koa... ♦ Nihintsana teo amin'ny dingana faharoa ny ElgecoPlus teo amin'ny fiadiana ny amboaran'ny CAF. Mbola resy indray ity klioba ity tamin'ny lalao miverina Afrika-Atsimo ny sabotsy tolak'andro teo...

17 ôktôbra — Mpadimby an'i Masindahy Pierre tao aorian'i Évode tamin'ny fitantanana ny Fiangonana tany Antioche, tokony ho tamin'ny taona 70 tany ho any i Masindahy Ignace resahana izao. Raha hiverenana kely ny tantara dia nandositra nankany Antioche ireo kristianina tao Jerosalema, rehefa nafana ny fanenjehana tamin'izany fotoana izany.

Andriamanitra no nampisy ny fianakaviana hatrany ampiandohana ka izay no maha masina azy. Ny fanehoana izay fahamasinana izay no maha Evanjely velona ny fianakaviana. Ny fianakaviana tao Nazareta, nisy an'i Joseph sy Maria ary i Jesoa no antsoina hoe fianakaviana Masina, tao i Jesoa ilay Evanjely torina no nipoitra izay fototry ny katesizy. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...