♦ Napetraka omaly tany Toamasina, ny vato fototry ny Hôpitaly katôlika eto Madagasikara. Notokanana ihany koa ny grand séminaire filôzôfia Md François de Salle Analamalotra... ♦ Miantso ny malagasy feno taon tsy very zo ny filohan'ny CENI mba hampiantrano ireo mpanisa mpifidy, ampahalavorary ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana eto Madagasikara... ♦ Marihina anio alatsinainy 3 ôktôbra 2022 ny andro maneran-tany ho an'ny toeram-ponenana... ♦ Tany indonezia, farafahakeliny olona 125 isa no namoy ny ainy, vokatry ny hetsika savorovorom-bahoaka, nandritra ny lalao baolina kitra natao tamin'ny sabotsy hariva...
03 ôktôbra — Teraka ny taona 890 tao Stave, tanana kely tao Florennes i Gérard. Sancius no rainy, izay avy amin'ny fianakavian'ny duc d'Austrasie. Avy amin'ny reniny indray izy dia nanana dadatoa an'i Etienne, eveka tao Liège. Nanan-tany tao Brogne ireo ray aman-drenin'i Gérard ireo.
Sarobidy sy masina ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny fianakaviana iray, satria mamaha olana maro eo amin'ny mpivady ary miteraka fiombonana eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny. "Mpifankatia tsy miresaha hono very ny androatokom-pitiavana". Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Alatsinainy 3 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 25-37
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco