Zoma 30 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 13-16
♦ Niteraka fahatapahan-dalana maharitra teny Ampasika androany, ny fakan'ny Polisy Monisipaly ireo sarety efatra mpitondra ranon-tany. Niteraka ny fahatezeran'ireo olona nandalo manodidina izany, ka notapahan'izy ireo ny fifamoivoizana...♦ Hahazo angidimby hiaka farany avy amin'ny fitondram-panjakana ny Tafika Malagasy, ho fampitaovana azy ireo... ♦ Hangonina manomboka izao ireo fitaovaka elektrônika, toy ny finday tsy miasa intsony, ho fiarovana ny tontolo iainana. Handray izany eny amin'ireo masoivohony manerana ny nosy, ny orinasa Telma...
♦ Hotanterahana eto an-drenivohitra ny 7 ôktobra izao ny fikaonandoham-pirenena hanarenana ny asa tanana eto Madagasikara. Hamaritana ny paik'ady vaovao hampiroboroboana ny famoronana asa amin'ny alalan'ny sehatry ny asa tanana ny tsoa-kevitra hivoaka amin'izany... ♦ Homarihana ny 08 oktobra izao ny ivon'ny fankalazana ny faha 30 taonan'ny FAFIALA. Hotokanana amin'io andro io ny tsangambaton'ny faha-30 taona, dia fotodrafitr'asa tranon-dandy... ♦ Hampiditra mpiasa antselika hanampy ireo mpiasa ao aminy ny tranom-pirintim-pirenena noho ny fahavitsian'ny mpiasa kanefa ny asa atao mitombo hatrany hoy ny tompon'andraikitra...
Ilay ny mampiasa ilay fahefana anaty, izay ananan'ny tsirairay. Mba hiova sy hihatsara ny fiainan'ny olona iray dia tsy maintsy manao ezaka izy handresy ny sakana anaty, ary manome vahana ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco