Ny fifamenoana eo amin'ny ray sy ny reny dia ao anatin'ny fitsipiky ny fiainana. Maro ny sehatra hifamenoin'ny mpivady : eo amin'ny lafiny fivelomana andavanandro, fiahiana ny fiainan-tokantrano, ny fitaizana sy fanabeazana ny zanaka. Mba hatsara ny fiainan'ny mpivady dia ilaina ny fifanabeazana sy ny famaritana soatoavina iombonana ary ny lafiny ara-pinoana. Mivelatra ny fifamenoin'ny mpivady, indrindra ny fifandraisana amin'ny mpiara-monina, ny fananganana tetik'asan'ny fianakaviana...
♦ Nampanantena hanolotra angidimby hiaka farany ho an'ny Tafika Malagasy, ny Filohan'ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny fanamarihana ny fetin'i Masina Misely, mpiaro ny mpilatsaka an'elonaina... ♦ Niharan'ny fanafihan-dahalo indroa miantaona ny tany Bekopaka. Mamerina hatrany ny antso avo ho fanampiana sy fampitaovana ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana ny Ben'ny tanana teo aloha any Bekopaka... ♦ Foana ny fampiharana ilay famerana ny vidin'entana farany ambony nataon'ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana...
30 septambra — Teraka tao Stridon akaikin’ i Aquilée any Dalmatie na Croatie ankehitriny i Jérôme. Nampihantain’ny ray aman-dreniny tokoa izy io satria telo ambin’ny folo taona izy vao nanan-jrandry mianadahy. Nianatra tany Milan sy tany Roma i Jérôme ary nanaraka ny fampianaran’i Aelius Donatus.
Mila miresaka sy mifanakalo hevitra matetika ny zanaka sy ny ray aman-dreny. Atao izay hahatsapan'ny zanaka fa tia sy manohana azy i dada sy i neny, izany tsy midika hoe mampihanta azy. Raiso toy ny namanao akaiky ny zanaka, raiso toy ny olona misaina sy manomboka efa lehibe. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco