• Miteraka resabe, hoy ny SAFIDY, ny filazan'ny Filohan'ny CENI, fa hisy indray ny fivoriana hiadiana hevitra momba ireo hevitra naroson'ny ankolafin-kery samihafa eto amin'ny firenena, nandritra ny fihaonana tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika... • Nitarina any amin'ireo Faritany dimy hafa, ankoatra an'Antananarivo, ny fangatahana pasipaoro mba ho fanamorana sy fanafainganana ny fikarakarana izany... • Angom-potaka mbola hatrany amin'ny 20.000 m3 no mbola holoarana ao anatin'ny farihin'i Behoririka, raha ny tatitra avy amin'ny Kaominina Antananarivo...

♦ Hisy tsy ho ela ny dinika hahafahana mamaritra ny karazam-pifidianana hotanterahina voalohany eto Madagasikara amin'ny taona ho avy, hoy ny filohan'ny CENI Thierry Rakotonarivo... ♦ Nodoran'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifàna teny Masindray ireo entana lany daty tratra teto Antananarivo sy ny manodidina, nanomboka ny volana mey... ♦ Mijanona ao amin'ny sokajy faharoa (Tier 2) i Madagasikara, araka ny Tatitra momba ny famarinana olombelona... ♦ Niaiky ny fisian'ny lesoka tsy azo lavina avy amin'ny fitondrana, manoloana ireo herisetra sy korontana mitranga any Frantsa ankehitriny, ny minisitry ny fitsaràna frantsay...

♦ Misy ireo olona manana andraikitra eo amin'ny firenena sy mpiara-miasa amin'ny Filohan'ny Fanavaozana, mikasa ny handrodana ny fitondrana, raha ny nambarany... ♦ Mifampiampanga manoloana ireo sinoa 11 mirahalahy tafavoaka ny fonja ny Minisitry ny Fitsaràna sy ny Sekretera jeneralin'ny Sendika SPAPM... ♦ An'hetsiny ireo vahoaka Malagasy any ambanivohitra tsy manana sora-piankohonana hoy ny Filohan'ny CENI Thierry Rakotonarivo... ♦ Nitarika ny vavaka Angélus voalohany, taorian'ny fandidina azy, omaly alahady ny Papa Léon-XIV...

♦ Nakatona vonjy maika ny Université Antsiranana nanomboka omaly hariva, noho ny savorovoro nisy teo amin'ny samy mpianatra... ♦ Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana namoizana aina, tato anatin'ny 24 ora farany tao Antananarivo-renivohitra sy ny manodidina... ♦ Tsy ho tratra amin'ny taona 2027 ny fahavitan-tena ara-bary ho an'i Madagasikara noho ny antony samihafa ; azo antoka kosa ny hatratrarana izany amin'ny taona 2028, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo... ♦ Niverina nidina an-dalambe ireo mpianatry ny Lycée tany Frantsa, izay mitolona amin'ny fidangan'ny vidim-piainana...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...