• Mandalo eto Madagasikara ny delegasion'ny Antenimieram-pirenena Frantsay. Noraisin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Randrianirina Michaël, izy ireo omaly... • Hisy fikorontanana ny famatsian-drano amin'ny faritra maro eto Antananarivo, manomboka ny alatsinainy 24 aogositra 2026. Fanatsarana ny famatsiana no antony araka ny fanazavan'ny orinasa JIRAMA... • Mampiranty ny vokany eny amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka indray, hatramin'ny alahady izao, ny tantsaha mpamokatra. Nanokatra ny Rodorodon'ny Tantsaha tamin'ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo, Ramindo Gaetan...
• Nahazo Eveka Mpanampy ny Arsidiosezin'i Toamasina. Notendren'ny Papa Léon XIV hisahana izany andraikitra izany i Mompera Mariusz Kasperski, teratany Polonais ary 63 taona izy ankehitriny... • Mitaky ny handravana ny Antenimieram-pirenena ny antoko Kintana sy ny vovonana RMDM. Fitiavan-tenan'ny Solombavam-bahoaka, hoy Andriamatoa Christian Tabera, ny nananganana ny vondrona VFM... • Hanao hetsika manakaiky ny vahoaka ny Hopitaly Miaramila eny Soavinandriana na ny CENHOSOA, hanamarihana ny faha-135 taona nijoroany. Nomarihina omaly ny fanokafana ny fankalazana...
• Nosokafana androany tamin'ny fomba ofisialy ny faha-135 taonan'ny Hopitaly Miaramila eny Soavinandriana. Hopitaly voalohany teto Madagasikara izay ny Mpanjaka Ranavalona III no nitokana azy ny 13 aogositra 1891... • Efa tafajoro daholo ny Vaomieran'ny Fandriam-pahalemana any amin'ny Fokontany rehetra miisa 326 ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo. Nanolotro fitaovaona ho azy ireo, ho an'ny Fokontany lavitra androany, ny Faritra Analamanga... • Nanatitra fitoriana teny amin'ny HCC, hitakina ny handravana ny Antenimieram-pirenena, ny antoko Kintana sy ny avy amin'ny vondrona RMDM...
• Vata mpanova herinaratra miisa 36 no hosoloina sy hatsaraina mba hiakatra ny tanjany, ho an'ny famatsiana jiro ato amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo... • Miisa efatra ireo kandida nirotsaka hofidina ho filoha vaovao hitantana ny ASIEF. Hotanterahina rahampitso alakamisy 20 aogositra 2026, ny fifidianana... • Misy ny lamina napetraka tsy maintsy arahina amin'ny fampiasana ny reniranon'i Belo Tsiribihina, hisorohana ny loza mety hitranga, mandritra ny fankalazana ny fetin'ny Fitampo 2026, hoy ny avy amin'ny APMF...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco