♦ Nangataka ny hevitry ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC) manoloana ny fahataperan'ny fe-potoam-piasan'ny Loholona ny 19 janoary 2026 ny filohan'ny CENI Thierry Rakotonarivo... ♦ Nandefa taratasy any amin'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena mangataka ny hanokafana fanadihadiana parlemantera momba ny orinasa JIRAMA ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'Afo... ♦ Nanao sakan-dalana, nandoro kodiarana sy nilanja sora-baventy tetsy Mandrosoa-Ivato ny marina teo ireo mpiasan'ny vondron'ny orinasa SODIAT izay nalefa fiatoana ara-teknika... ♦ Nanao fitsidihana tany Mozambique ny kardinaly Pietro Parolin...
♦ Tsy dinika mitovy tamin'ireo efa nisy teo aloha ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fanavaozana an'i Madagasikara amin'izao hoy ny Minisim-panjakàna misahana ny fanavaozana Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Mety ho fandrika ho an'ny filohan'ny fanavaozana Kôlônely Michaël Randrianirina ny ao ambadiky ny fikaonan-doham-pirenena izay tsy mangarahara ny fanatanterahana azy hoy ny "collectif du mouvement"... ♦ Hosokafana amin'ny 20 desambra izao ny fanamarihana ny faha-125 taona nidiran'ny taranja baolina lavalava teto Madagasikara... ♦ Manameloka ny fampihorohoroana ataon'ny fanjakàna tarihn'ny filoha Nicolas Maduro ny lehiben'ny mpanohitra Maria Corina M...
• Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany, tetsy amin'ny CCI Ivato tamin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihan'ny Filoham-piangonana efatra ao amin'ny FFKM, ny Fikaonan-doham-pirenena, dinika ho an'ny Fanavaozana an'i Madagasikara... • Isan'ny nahazo fanasana tamin'ity fanokafana ny fikaonan-doha ity, ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, saingy tsy tonga niatrika izany izy. Nilaza ny mpanohitra fa tsy voaasa izy ireo, tsy tokony hisy fanavahana sy fitanilana ny dinika tahaka izao... • Nomarihana androny 10 desambra, ny Andro maneran-tany fiarovana ny Zon'olombelona, ka isan'ireo fikambanana nanamarika izany ny ONG HARI. Nisafidy ny nanentana ireo mpianatra teny Mahamasina izy ireo...
♦ Niteraka fanehoan-kevitra maro samihafa ny vaovao fa nahazo fanasana hanatrika ny fanokafana ôfisialy ny fikaonan-doham-pirenena ny filoha teo aloha Rajoelina Andry. Samy manana ny filazàny ny tompon'andraikitra. Misy ireo miteny fa marina ny vaovao, lainga kosa izany hoy ny mpitondra tenin'ny governemanta... ♦ Tsy mitsipaka fa isan'ireo handray anjara amin'ilay dinika ho an'ny fikaonan-doham-pirenena tarihin'ny FFKM ny vovonana IRMAR miara-dia amin'ny filoha teo aloha... ♦ Tsy afa-beka amin'ny kolikoly ny fifidianana sy ny fampielezan-kevitra tanterahana eto Madagasikara hoy ny Transparency International Initiative Madagasikara...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco