♦ Tokony horavàna ny lalàna nanafoana ny fitsinjaram-pahefàna tena izy hoy Andriamatoa Randriamanefa Henri Charles. Io lalàna io no nambara'ity mpanao pôlitika ity fa tsy nampandroso ny Firenena... ♦ Nakarin'ny Banky foiben'i Madagasikara ho 12% ny tahan-jana-bola fototra amin'ireo Banky mpampindram-bola eto Madagasikara. Tanjona ny hifehezana ny sondro-bidim-piainana, izay niakatra indray tato ho ato... ♦ Olona 2 no namoy ny ainy, vokatry ny hain-trano tetsy Antsambilo, Kaominina Ivato, omaly. Tokan-trano 6 rava tanteraka, vokatr'izao loza izao... ♦ Mitombo ny fankahalàna jiosy any Royaume Uni...

♦ Hatao atsy Addis-Abeba ny fihaonana voalohany karakarain'ny SCEAM, ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028". Manana solontena mandray anjara amin'izany i Madagasikara... ♦ Nisy ireo olona nalefa any am-ponja tamin'ny fifaninanana tamin'ny raharaha fiparitahan'ny laza adina tamin'ny fanadinana fifaninanana handraisana ho mpianatra mpitsara andiany 204 teo anivon'ny ENMG... ♦Mitaky ny hampiharana ny lalàna ho an'ireo olona maka ankeriny sy ny mamono an'ireo zaza varira ny Solombavambahoaka ao Betroka. Manameloka ny tranga nisy tany an-toerana ity Olom-boafidy ity ...

• Manana solontena mandray anjara amin'ny fihaonana voalohany karakarain'ny Fiombonamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara na ny SCEAM tanterahina any Ethiopie isika Malagasy. Fihaonana ho fanomanana ny Fihaonamben'ny  Eglizy 2028... • Nisy ireo olona naiditra am-ponja tamin'ny fifaninanana handraisana ho mpianatra mpitsara andiany 2024. Nisy ny fiparitahan'ny laza adina araka ny fanadihadiana natao... • Hatao any Mahajanga ny 10 hatramin'ny 16 aogositra 2026 ny lalaom-pirenena ara-panatanjahantena an-tsekoly na ny JNSS amin'ity taona 2026 ity. Maherin'ny 2.000 ireo handray anjara...

♦ Ny Fanjakàna tokona hotronin'ny Faritra masi-mandidy no vahaolana fa tsy ny Fanjakàna Federaly hoy ny MFM. Nambaran'ny avy amin'ity antoko ity fa tsy sambany no nisy fivoizana fizarazaràna eto... ♦ Manambana hanao fitokonana faobe ireo sendikàn'ny mpiasa eo anivon'ny CNaPs. Mitaky ny hamoahana ireo namany nogadraina ao anatin'ny 48 ora izy ireo, omaly... ♦ Sarona ny tambajotra mpaka an-keriny sy maka voamason'ireo zaza varira any Betroka. Olona 15 sy Zandary iray no efa nosamborin'ny mpiambina ny Filohan'ny Fanavaozana hatramin'izao... ♦ Tafakatra hatrany amin'ny 40°C ny hafanana ao Seoul-Corée du sud...

[Miara-dàlana] Zoma 7 aogositra 2026

• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...