♦ Nifarana omaly rehefa naharitra 3 andro tany amin'ny diôsezin'Ambatondrazaka ny fankalazàna ny andron'ny Lahika. Nandefa hafatra tamin'izany ny vaomieran'ny Eveka momba ny asam-pamonjena ny Lahika na ny CEPAL... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy tany Ijely Miarinarivo ny sabotsy teo ny taom-pianarana vaovao ho an'ny sekoly katôlika manerana ny nosy... ♦ Naneho hevitra momba ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny faran'ny herinandro teo Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina. Miantso ny hisian'ny fitoniana ity filoham-pirenena teo aloha ity, manoloana ny ambarany fa fanenjehan'ny fitondrràna ireo tsy mitovy hevitra aminy...
♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany maraina ny andron'ny Laika eto Madagasikara tanterahana any amin'ny Diôsezin'Ambatondrazaka. Andron'ny laika be mpandray anjara indrindra, 2000 isa mahery ireo mpandray anjara avy amin'ny diôsezy miisa 13 sy ny fikambanana Masina... ♦ Fifanolanana eo amin'ireo ben'ny tanàna any amin'ny Faritra Bongolava sy ny Governora amin'ny Prefektiora Tsiroanomandidy : mandeha ankehitriny ny fanadihadiana hoy ny ministry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana... ♦ Baolina kitra : hihaona amin'ny ekipam-pirenena avy atsy Seychelles eny Mahamasina anio folakandro ny Barea U-23. Lalao mandroso dingana voalohany ahafahana mandray anjara amin'ny Can 2023. Any Maroc hidona amin'ny Congo ny Barea zokiny...
♦ Nanome toromarika ny ekipany hanampy an'i Madagasikara ahafahana misitraka ilay famatsiam-bola avy amin'ny Tahiry Maintso ho an'ny Toetr'andro ny Sekretera jeneralin'ny firenena mikambana raha nihaona tamin'ny filoham-pirenena malagasy tany NewYork izy... ♦ Hiditra amin'ny raharaha politika indray ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara hanomboka anio. Amin'ny alalan'ny "varavarana misokatra" no hanehoan'ny antoko izany anio... ♦ Tsy maintsy haverina ho jerena hitondrana fanitsiana ilay lalàna mampitovy zo ny vehivavy sy ny lehilahy amin'ny fandraisana andraikitra ambony hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena...
♦ Ho azon'i Madagasikara tsy ho ela ilay "Tahiry maitso ho an'ny toetrandro", hoy ny Sekretera Jeneralin'ny ONU, tamin'ny Filoha Malagasy... ♦ Tsy maintsy haverina ho jerena, hitondrana fanitsiana ilay lalana mampitovy zo ny vehivavy sy ny lehilahy amin'ny fandraisana andraikitra ambony, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nitombo isa ny tahan'ny fitarainana voarain'ny Bianco tamin'ny taona 2021, raha mitaha amin'ny taona teo aloha...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco