20 mey 2023 — Sabotsy, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 23b-28)
Filàna fototra ny fifandraisan’ny mpiara-belona na ny fifandraisana; mandritra ny fitondrana vohoka dia afaka mifandray ny reny sy ny zaza. Voajanahary ny fifandraisana, fa na tsy mivoaka ny vava aza ny teny, ny retsi-pandrenesana rehetra dia endriky ny fifampiresahana... Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
19 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 20-23a)
Misy sivana tokony ho tsarovan'ireo mpanely tsaho sy mpilaza vaovao ireto, izay hatao hoe "test de trois passoires" : voalohany, marina ve ilay resaka tiana ho lazaina ; faharoa, tsara ho an'ny rehetra ve ; fahatelo, ilaina ve ny ampahafantarana ilay vaovao. Raha resaka tsy marina sy tsy mahasoa ary tsy ilaina na ho anao na ho an'ny hafa dia tokony alevina ; tokony mijoro amin'ny fahamarinana hatrany. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco