Ny Sabotsy Masina dia misy fankalazana miavaka, fankalazana an'i Jesoa nandresy ny fahafatesana. Misy lafiny telo ny fankalazana : Voalohany Kristy Fahazavana aseho amin'ny alalan'ny Afo Vao sy Jiron'ny Paka ; faharoa Kristy Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Vakiteny Masina ; ny farany Kristy Loharanon'Aina tandindon'ny Batemy. Katesizy momba ny Sabotsy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Sabotsy 8 aprily 2023 — Sabotsy Masina — Fiaretan-tory ankalazana ny Fitsanganan'i Jesoa Kristy — Taona A — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 1-10)

Ny Zoma Masina dia hanaovana fifadiana lehibe. Ho fandraisana anjara amin'ny fijalian'i Jesoa sy hibanjinana ny fanavotana. Ny Zoma dia fahatanterahan'ny Sorona dia Izy tenany sy ny namatsihana azy teo amin'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesan'i Jesoa dia tsy ho an'ny Jody irery fa ho an'izao tontolo izao, na mpino na tsia. Katesizy momba ny Zoma Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Zoma 7 aprily 2023 — Zoma Masina — Fankalazana ny fijalian'ny Tompo — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany (Jo. 18, 1-40 ; 19, 1-42)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...