17 mey 2023 — Alarobia, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 12-15)
Vehivavin'ny fiainana tsotra andavanandro i Maria, vehivavy tonga reny, reny nahita ny nahafatesan-janany tsy an-drariny, nahita azy nitsangan-ko velona, ary niandry tamim-paharetana nivavaka — niaraka tamin'ny mpianatra — ny fiavian'ny Fanahiny. Manetsaka fitiavana sy mampisy fotony ny ankobanandro i Maria: toa nijanona ho toy ny teo aloha ihany ny zavatra rehetra, nefa toa niova ho vaovao feno hanitra mamerovero ihany koa. Hasivianandro fiomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro faharoa.
Hoy ny Ntaolo : avadibadiho im-pito aloha ny lela alohan'ny hiteny ; izany hoe manontany tena raha azo antoka ny loharano nahenoana resaka mialohan'ny hitantarana azy amin'ny olona hafa. Amin'ny fehezan-teny tokana dia : tsy maintsy mamakafaka sy manadihady vao miteny. Mila mandinika isika, mitady ny loharano marim-pototra sy mazava fa tsy milaza zavatra manjavozavo na honohono. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
16 mey 2023 — Talata, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 5b-11)
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco