Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 53, 10-11)
Sitraky ny Tompo ny nanorotoro ny Mpanompony tamin’ny fijaliana,
nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panorenana,
dia hahita taranaka izy, ho lava andro iainana,
ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’ny Tompo.
Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia nahita izy, ka ho afa-po.
Ilay marina, Mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarina olona betsaka,
ary ny tenany hivesatra ny helok’ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 32. 4-5. 18-19. 20 sy 22
Eny, marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.
Izay matahotra ny Tompo ahìny,
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny taona mosarena.
Izahay manantena ny Tompo
ilay Mpitahy sy Mpiaro anay.
Ny fitiavanao, ry Tompo ô,
ho eo aminay matoky anao!
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 4, 14-16)
Ry kristianina havana, manana Mpisorona lehibe isika izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
koa aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra Izy,
afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro hilantsika izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 35-45)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao”.
Ary hoy Izy:
“Inona no tianareo hataoko aminareo?”
Dia hoy ireo:
“Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao
ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao”.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tsy fantatrareo izay angatahinareo;
moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo,
na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?”
Hoy ireo taminy hoe:
“Zakanay”.
Fa hoy kosa i Jesoa:
“Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa,
ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;
fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa,
dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany”.
Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany;
fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:
“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina,
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 42-45)
Tamin'izany andro izany,
i Jesoa niantso ny roa ambin'ny folo lahy ka nilaza hoe:
“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina,
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Misy ny antson'i Kristy miantefa amintsika kristiana hiainana ny fahadiovana, fahantrana, fanekena. Ny fahadiovana ao anatin'ny tokan-trano kristiana : fanajan-tena sy fifanajan'ny mpivady. Hasain'i Kristy ihany koa isika hanaiky, ny fanekena lavorary dia izay araka ny toromariky ny Evanjely, ny fiezahana manetrin-tena ao anaty fahatsorana ary indrindra anatin'ny fifanajàna sy ny fifampihainoana... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Iray amin'ireo teny voalohany nianarantsika fony mbola kely ny hoe "misaotra". Tena mariky ny fanajàna sy fametrahana amin'ny toerany ny olona iantefan'izany tokoa io fanehoana fankasitrahana io. Entanin'ny Papa François isika mba hiezaka hifaly mandrakariva amin'ny fihaonantsika amin'i Jesoa. Aoka isika tsy hanao tsirambina ny fisaorana fa hanatsara izao tontolo izao izany... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
13 ôktôbra 2024 — Alahady Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco