• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

♦ Tsy mahazo manao tandrevaka ary tsy tokony hamela ny hafa mbola hiady hevitra momba ny fiandrianam-pizakana feno an'ireo Nosikeliny i Madagasikara hoy ny Sehatry ny Raiamandreny "SERA". Fabambarana manoloana ny dinika atao any Frantsa anio... ♦ Mila manova fomba fiaina manomboka izao ny Malagasy manoloana ny firongatry ny fanampozinana ara-tsakafo nitranga tato ho ato hoy ny solombavambahoaka Imbiky Herilaza... ♦ Mandeha ny asa fanarenana ny ala honko simba ataon'ny orinasa Bôndy any amin'ny Fritra Diana, amin'ny alalan'ny tetik'asa Ma Honko. 600 Ha ny ala honko simba efa voaharina tao anatin'ny 2 taona niasan'ny orinasa tany...

Trangam-piarahamonina niteraka alahelo sy fihotanam-po tsy hay notohainy ary fanehoan-kevitra maro samihafa ny fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo nitranga teto amintsika tao anatin’ny tapa-bolana teo ho eo izao. Ambara fa fanapoizinana niniana natao na famosaviana tsotra izao no nitranga teny amin’ny sampanana Imerikasinana Ambohimalaza, raha toa ka fahapoizinana ara-tsakafo kosa ny tany amin’ny faritra hafa.

♦ Mpianatra amin'ny taona fahasivy manakaiky ny 300.000 isa no hiatrika ny fanadinana BEPC manomboka androany. ny 19 amin'ireo no tera-tany vahiny raha toa ka 46 ireo manana fahasembanana... ♦ Hiaro ny hevitry ny fitondram-panjakàna izy 8 mianadahy solontena mandrafitra ny delegasiôna Malagasy hiatrika ny dinika faharoa eo amin'ny vaomiera iraisana Frantsay-Malagasy momba ireo nosy manodidina na ny îles Eparses. Fihaonana hatao any Frantsa io... ♦ Niray feo ireo vondron'ny firaisamonim-pirenena fa ny famerenana ny nosy Malagasy amin'i Madagasikara ihany no tokony hanaovan'ny delegasiôna Malagasy ady sisika amin'ity dinika any Frantsa ity...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...