♦ Andrasana ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga ny nofo mangatsiakan'i Mgr Scopelliti androany alina... ♦ Nitsidika ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa nandritra ny telo andro ny Solontenan'ny Ray masina, Mgr Tomasz Grysa... ♦ Hitsidika an'i Dubaï ny Papa François ny 1 hatramin'ny 3 desambra 2023...

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 6, 12-16)

Mitsena ireo mitady azy ny Fahendrana.

Ny Fahendrena dia mamirapiratra,
tsy mety matroka hatsarana;
mora mahita azy ny olona raha tia azy izy,
ary mora mahazo azy raha mitady.
Mitsena an’izay mitady azy izy,
ary miseho aminy voalohany.
Izay mifoha maraina koa hitady azy,
tsy mananosarotra,
fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany.
Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary,
ary ny miari-tory noho ny aminy,
dia ho afaka ahiahy vetivety;
mandeha mivezivezy atsy amin’ary izy
mitady an’izay mendrika azy,
miseho amin’ireny eny an-dalan’izy ireo izy amim-pihavanana,
ary manampy azy amin’ny hevitra kasainy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 62, 2. 3-4. 5-6. 7-8

Mangetaheta Anao ny fanahiko, ry Tompo Andriamanitra ô.

Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro!
Vao maraina aho maniry Anao,
mangetaheta Anao ny fanahiko,
matimaty Anao ny nofoko:
toy ny tany maina sy mangentana,
toy ny tany haraka, mila rano!

Tao an-toeranao masina no nahitako Anao;
tao aho nibanjina ny herinao sy ny voninahitrao:
ka ny molotro nidera Anao,
fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina!

Eny, hisaotra aho raha mbola velona;
ny Anaranao hanandratako tanana:
ka ny fanahy ho heni-tsoa,
ny molotra hihoby, ny vava hidera.

Izaho mahatsiahy Anao eo am-pandriana,
tontolo alina mihevitra Anao:
fa notsenainao ny vonjinao aho,
ka mibitaka alofan’ny elatrao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-18)

Hitondra ireo efa nody mandry miaraka aminy Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.

Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo:
Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavian’ny Tompo,
dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;
fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra,
dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo,
ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
raha efa izany,
hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela,
hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka,
dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-14)

Hitondra ireo efa nody mandry miaraka aminy Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)

Inty tamy ny mpampakatra ka mandehana mitsena azy ianareo.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjiny folo
izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra,
dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:

‘Inty tamy ny mpampakatra,
mandehana mitsena azy ianareo’.

Tamin’izay dia niarina ireo virjiny rehetra ireo
ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:

‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay,
fa efa ho faty ny jironay’.

Hoy ny navalin’ny hendry azy:

‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo,
ka mividiana ho anareo’.

Ary raha mbola nandeha nividy izy,
dia tonga ny mpampakatra,
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely,
dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:

‘Tompoko, tompoko, vohay izahay’.

Fa hoy ny navaliny azy:

‘Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo’.

Koa miambena ianareo,
fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Notsofin-drano sy noraisina omaly ny andiany Fihavaozana, mpamaky teny sy mpanotrona, ao amin'ny Grand Séminaire Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, Faliarivo Ambanidia... ♦ Nosokafana tao amin'ny Katedraly Fo Madion'i Maria, ny faha-25 taona niorenan'ny Diôsezin'Ambositra... ♦ Tanteraka ao amin'ny fitiva-namana ny fitiavana an'Andriamanitra, io no fampianarana netin'ny Ray masina, François omaly, nandritra ny vavaka Angélus...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 16, 3-9. 16. 22-27)

Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina.

Ry kristianina havana,
veloma any amin’i Priska sy Akilasy
mpiara-miasa amiko ao amin’i Jesoa Kristy;
nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo,
ka tsy izaho irery no misaotra azy,
fa ny Eglizy rehetra any amin’ny jentily koa,
ary veloma any amin’ny Eglizy rehetra izay ao an-tranony.
Veloma any amin’i Epeneto malalako,
izay santatr’i Asia ho an’i Kristy.
Veloma any amin’i Maria, izay niasa mafy ho anareo.
Veloma any amin’i Andrôniky sy Joniasa havako
sy niara-nifatotra tamiko,
izay sady tsara laza amin’ny Apôstôly
no tao amin’i Kristy talohako aza.
Veloma any amin’i Anfiasa,
malalako ao amin’ny Tompo.
Veloma any amin’i Orbano,
mpiara-miasa amintsika ao amin’i Kristy,
sy i Stakisa malalako.
Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina.
Manao veloma anareo ny Eglizin’i Kristy rehetra.
Izaho Tersiosa,
izay nanoratra itý taratasy itý koa,
manao veloma anareo ao amin’ny Tompo.
Manao veloma anareo i Gaïosa, ilay itoeranay,
mbamin’ny Eglizy rehetra.
Manao veloma anareo i Erasta,
mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna,
sy i Koartosa rahalahy.
Homba anareo rehetra anie
ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Amen.

Ary ho an’ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko,
izay nitoriana an’i Jesoa Kristy
sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay
(fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany,
araka ny didin’ny Andriamanitra mandrakizay,
ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana)
dia ho an’Andriamanitra, ilay hany hendry anie,
ny voninahitra mandrakizay mandrakizay,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 2-3. 4-5. 10-11

Midera ny Anaranao mandrakizay aho, ry Tompo.
na: Hankalazaina mandrakizay e ny Anaranao, ry Tompo.
na: Ny Anaranao, ry Tompo, no omem-boninahitra.

Misaotra Anao isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra;
tsy azo takarina ny halehibeny.

Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao,
sy mankalaza ny asanao mahery,
manambara ny harevaky ny voninahitrao,
mitantara ny asanao mahagaga.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 9-15)

Raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza,
mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay
raha avy izay haharerahanareo.
Izay mahatoky amin’ny kely dia mahatoky koa amin’ny lehibe,
ary izay tsy marina amin’ny kely,
dia tsy marina koa amin’ny lehibe.
Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo,
iza no hametraka aminareo ny harena marina?
Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo,
iza no hanome anareo izay anareo?
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa,
fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray;
na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray.
Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo.”

Ny Farisianina izay fatra-pitia vola
dia mba nihaino izany rehetra izany koa,
ka dia naneso Azy.
Fa hoy Izy tamin’izy ireo:

“Ianareo no mpanamarin-tena eo imason’ny olona,
nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo,
ary izay ambony eo imason’ny olombelona
dia fahavetavetana eo imason’Andriamanitra kosa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...