Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 11, 29-36)

Nohidian’Andriamanitra tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra, mba samy hamindrany fo avokoa.

Ry kristianina havana,
tsy misy anenenana ny fanomezan-tsoa
sy ny fiantsoan’Andriamanitra.
Fa ianareo fahiny
mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany,
nefa noho ny tsy naneken’ireo sasany amin’i Israely,
dia nahazo famindram-po ankehitriny.
Toy izany koa izy ireny ankehitriny,
tsy manaiky an’Andriamanitra izy,
nefa noho ny famindram-po azonareo,
dia hahazo famindram-po toraka izany koa.
Fa samy nohidian’Andriamanitra
tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra,
mba samy hamindrany fo avokoa.

Endrey,
lalina tsy manam-paharitana
ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra,
tsy azo takarina ny fitsarany,
ary tsy takatry ny saina ny lalany!
Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo,
ary zovy no mpanolo-tsaina Azy?
Sa iza no nanome Azy aloha,
mba hahazoany valin’izany?
Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra.
Eny,
Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 68, 30-31. 33-34. 36-37

Mivavaka aminao aho, ry Tompo.

Fa izaho ilay ory sy mijaly kosa,
dia harovan’ny Vonjinao, ry Andriamanitra:
ka hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra,
ary hankalaza Azy amin-tsaotra.

Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra;
ny babo tsy hainy hamavoina.

Fa Andriamanitra hamonjy an’i Siôna sy hanangana ny tanànan’i Jodà:
ka hisy mponina indray ao, izay hivolon-ko tompony tokoa!
Ny taranaky ny mpanompony no handova;
izay tia ny Anarany no honina ao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 12-14)

Aza ny sakaizanao no antsoina fa ny mahantra sy ny kilemaina.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ilay loholon’ny Farisianina nanasa Azy hoe:

“Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao,
aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao,
na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina,
fandrao asain’ireo koa ianao
ka ho voavaliny izay nataonao taminy.
Fa raha manao fanasana ianao,
ny mahantra,
ny kilemaina,
ny mandringa,
ny jamba,
no asao:
dia ho sambatra ianao,
satria tsy mba manan-kavaly anao ireo;
fa rahefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina
vao hovaliana ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Malakia Mpaminany (Ml. 1, 14b — 2, 2b. 8-10)

Ianareo kosa nivily lalana ary nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna.

Mpanjaka lehibe Aho,
hoy ny Tompon’ny tafika;
ary mahatahotra ny Anarako,
any amin’ny firenena.
Koa ankehitriny, ry mpisorona,
didy mihatra aminareo izao:
Raha tsy henoinareo sy tsy rototra ianareo
ny hanome voninahitra ny Anarako,
hoy ny Tompon’ny tafika,
dia handefa ozona hamely anareo Aho.
Fa ianareo kosa nivily lalana,
nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna,
ary namadika ny fanekena tamin’i Levi,
hoy ny Tompon’ny tafika.
Koa Izaho kosa,
dia efa nahatonga anareo ho faniratsira sy tsinontsinona
eo imason’ny vahoaka rehetra,
satria tsy nitandrina ny lalako ianareo,
sady mizaha tavan’olona amin’ny fampiharana ny lalàna.
Tsy iray ray va isika rehetra?
Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika?
Ka nahoana àry ity isika,
no samy mivadika amin’ny iray ra amintsika avy,
ka mandoto ny fanekena amin’ny razantsika?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 130, 1. 23

Tompo ô, tahirizo ao amin’ny fiadananao ny fanahiko.

Tompo ô, tsy mba miavona ny foko,
tsy miandranàndrana ny masoko:
izaho tsy manenjika zava-baventy
na zavatra ambony tsy sahaza ahy.

Ny fanahiko afa-po ka mamitsaka,
toy ny zaza voky eo am-pofoan-dreniny;
eny, toy ny zaza voky
ny fanahiko ato amiko.

Aoka i Israely hatoky ny Tompo
hatrizao ka ho mandrakizay!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 2, 7b-9. 13)

Tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo, fa ny ainay koa.

Ry kristianina havana,
naleonay nanetry tena teo aminareo,
mova tsy ny reny mitaiza ny zanany.
Fa noho ny fitiavanay anareo,
dia tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo,
fa ny ainay koa aza,
satria efa tonga maminay loatra ianareo.
He tsaroanareo, ry kristianina havana,
ny fikelezana aina amam-pisasaranay,
fa sady niasa andro aman’alina izahay
no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo,
mba tsy hahavaky tratra olona
na dia iray taminareo aza.
Noho izany,
dia tsy tapaka misaotra an’Andriamanitra koa izahay,
satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay,
dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany,
fa noraisinareo, araka ny marina tokoa,
ho tenin’Andriananitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny Tenin’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

Milaza fotsiny izy fa tsy manao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe:

“Efa mipetraka eo amin’ny toeran’i Môizy
ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo,
fa aza maka tahaka ny ataony,
satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Fehezin’izy ireo ny zava-mavesatra sarotra entina,
dia atainginy eo antsoroky ny olona,
nefa izy tsy mety hanetsika izany
na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra,
ka dia filakitera lehibebe kokoa
sy somotraviavin-damba lavalava kokoa
noho ny an’ny olona no entiny.
Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana,
ny fitoerana voalohany amin’ny sinagôga,
ny arahabaina eo an-kianja
ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Fa ianareo kosa,
aza mba mety hantsoina hoe Raby,
fa iray ihany no Mpampianatra anareo,
ary mpiray tam-po avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo;
fa iray ihany no Rainareo,
dia Izay any an-danitra.
Aza mety atao hoe Mpampianatra;
fa iray ihany ny Mpampianatra anareo,
dia i Kristy.
Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;
fa izay hanandra-tena dia haetry
ary izay hanetry tena dia hasandratra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nanainga ireo pretra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Arseveka, Mgr Jean de Dieu Raoelison, mba hikolo ny asa pastôraly sy hanatanteraka izany an-kafaliana... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory ho an'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, ny Sampan-draharaha momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon'ny Fiketrahana Masina, noho ny fahalasanan'i Mgr Antoine Slavatore Scopelliti... ♦ Nanatanteraka famangiana any amin'ny Arsidiôsezy Atsimo Atsinanana, ny mpandrindra fikambanana vondron'ny Tokantrano Kristianina nasiônaly...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 11, 1-2a. 11-12. 25-29)

Raha ny fanariana azy no fampihavanana an’izany zavatra izany, hanao ahoana ny fandraisana azy: Tsy ho fitsanganan-ko velona va?

Ry kristianina havana,
moa dia narian’Andriamanitra va ny olony?
Sanatria izany!
Fa izaho koa dia Israelita, taranak’i Abrahama, sy fokon’i Benjamina,
ka tsy narian’Andriamanitra ny olony,
izay efa fantany rahateo.
Koa hoy izaho:
Moa dia tafintohina,
ka lavo tsy ho tafarina intsony va izy ireo?
Sanatria izany!
Fa ny fahalavoany no nahatonga famonjena ho an’ny jentily,
mba hahavelom-pialonana an’i Israely.
Koa raha ny fahalavoany no tonga herin’izao tontolo izao,
ary ny nihenàny no zary haren’ny jentily,
hanao ahoana re ny hafenoany?
Fa mba tsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry,
dia tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry havana,
izao zava-miafina izao:
nilatsaka amin’ny hajambana ny sasany amin’i Israely,
mandra-piditry ny hafenoan’ny jentily.
Ary amin’izany dia ho voavonjy avokoa i Israely rehetra,
araka ny voasoratra hoe:
Hivoaka avy ao Siôna ny Mpanafaka,
ka hanesotra ny tsy fahamarinana rehetra amin’i Jakôba,
dia ho tanteraka amin’izany ny fanekena nataoko tamin’izy ireo,
rahefa voaesotra ny fahotany.
Raha amin’ny Evanjely,
dia mbola fahavalo izy noho ianareo;
fa raha amin’ny fifidianana kosa,
dia malala izy noho ny razany;
satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa
sy ny fiantsoan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 93, 12-13a. 14-15. 17-18

Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany.

Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo,
sy ampianarinao ny Lalànao,
mba tsy hanahiany
amin’ny andro fahoriana.

Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany,
na handao ny lovany,
ka ny olo-marina hahazo ny rariny,
ny mahitsy fo no handresy lahatra.

Raha tsy ny Tompo no namonjy ahy,
poatoizay ilay toera-mangina no ho fonenako!
Vao Lasa ny teniko hoe: Mibolisatra ny tongotro!
ny hatsaram-ponao, ry Tompo, no avy hananty!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1. 7-11)

Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.

Indray sabata,
raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa
dia nitsikilo Azy izy ireo.
Ary nony hitan’i Jesoa ny hamaizan’ny olona nasaina
naka ny fitoerana voalohany,
dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo Izy nanao hoe:

“Raha asaina amin’ny fampakaram-bady ianao,
aza mipetraka amin’ny fitoerana voalohany,
fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao,
ka ho avy izay nanasa anao sy izy,
hilaza aminao hoe:

‘Omeo an’itý ny fitoeranao’,

ary amin’izay,
dia ho menatra ianao hifindra arý amin’ny fitoerana farany.
Fa raha asaina ianao,
dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka,
ka raha tonga izay nanasa anao,
dia hilaza aminao hoe:

‘Mandrosoa, ry sakaiza etsy alohaloha kokoa’;

amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao.
Fa izay rehetra manandra-tena no haetry,
ary izay manetry tena no hasandratra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...