Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 18-25)
Ry kristianina havana,
ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao
dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra
miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
satria izao zava-boaary rehetra izao
dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nahiny,
fa noho Ilay nampanompo azy,
nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalàna amin’ny fanandevozam-pahalovana
ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny,
dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao.
Ary tsy izy ihany,
fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza,
dia misento ao anatintsika ao,
miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika.
Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika.
Ary ny mahita izay antenaina,
dia tsy mba manantena intsony,
fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany?
Fa raha ny tsy hita no antenaintsika,
dia miandry amim-paharetana isika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6
Raha nampody ny babo tamin’i Siôna ny Tompo,
dia ohatra nanonofy izahay!
Tonga feno hehy ny vavanay;
feno hira ny lelanay!
Tamin’izay ireo firenena nitakoritsika hoe:
Lalina itý nataon’ny Tompo taminy!
Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay:
ka faly moa izahay!
Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay,
toy ny ranotrambo any Atsimo!
Izay mamafy amin-dranomaso, no mijinja amin-kira.
Eny tokoa, raha mandroso no tomany
manipy ny voa.
Fa nony miverina, velona akora
milanja ny vokatra!
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 18-21)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny hoe:
“Ny inona no tahaka ny fanjakan’Andriamanitra,
ary ny inona no hanoharako azy?
Tahaka ny voan-tsinapy izy
izay nalain’ny olona ka namboleny tamin’ny tanimboliny,
dia nitombo ka tonga hazo,
ary nitoeran’ny voromanidina ny rantsany.”
Dia hoy indray Izy:
“Inona no hanoharako ny fanjakan’Andriamanitra?
Tahaka ny lalivay izay nalain’ny vehivavy anankiray izy,
ka nampifangaroiny tamin’ny lafarinina intelon’ny famarana
mba hampibohaka ny koban-dafarinina rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 12-17)
Ry kristianina havana,
tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.
Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty;
fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo,
dia ho velona ianareo;
satria izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra
dia zanak’Andriamanitra.
Ary izany tokoa,
satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo,
ka hatahotra indray ianareo,
fa Fanahim-pananganan-janaka,
ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray!
Ary ny tenan’io Fanahy io ihany
no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika
fa zanak’Andriamanitra isika.
Ary raha zanaka dia mpandova,
eny, sady mpandova an’Andriamanitra
no mpiray lova amin’i Kristy,
raha miara-mijaly aminy anefa isika,
mba hiara-komem-boninahitra aminy koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 67, 2 sy 4. 6-7ab. 20-21
Vao mitsangana Andriamanitra, dia mihahaka ny fahavalony;
mandositra eo anoloany ny mpankahala.
Ny olo-marina kosa, manoloana an’Andriamanitra,
mifaly, miravo sy mirobiroby.
Izy Ilay Rain’ny kamboty, mpanome rariny ny mpananotena,
Andriamanitra ao amin’ny toerany masina,
mampitoetra an-trano ny tokan-tena,
mamoaka ny babo voagadra.
Isaorana ny Tompo isan’andro isan’andro:
ilay Andriamanitra Mpamonjy nitrotro antsika,
Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika;
Tompo mahala amin’ny fahafatesana.
Aleloia. Aleloia.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 10-17)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nampianatra tao amin’ny sinagôga anankiray indray Sabata,
ka nisy vehivavy anankiray teo azon’ny demony
hatramin’ny valo ambin’ny folo taona,
ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy.
Nony nahita azy i Jesoa dia niantso azy
ka nanao taminy hoe:
“Ravehivavy, afaka ny aretinao.”
Dia nametrahany tanana izy,
ka nitraka niaraka tamin’izay,
sy nankalaza an’Andriamanitra.
Fa sosotra ny lehiben’ny sinagôga
noho i Jesoa nanasitrana tamin’ny andro Sabata,
ka niloa-bava tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Henemana no andro azo iasana
ka tongava hositranina amin’ireo ianareo,
fa aza amin’ny andro Sabata.”
Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy:
“Ry mpihatsaravelatsihy,
moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany
hiala amin’ny tranony avy ianareo,
ka mitondra azy hisotro rano
na dia Sabata aza ny andro?
Ary itý zanakavavin’i Abrahama
izay efa nafatotr’i Satana hatramin’ny valo ambin’ny folo taona itý ve
tsy tokony hovahana amin’izany fatorana izany
amin’ny andro Sabata?”
Tamin’izy niteny izany,
izay rehetra nanohitra Azy dia nangaihay foana,
fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly
noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany eo anilany teo amin'ny faha-84 taonany i Mgr Antoine Salvatore Scopelliti, Eveka misotro ronono an'i Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misiônera mpitondra hafatra isika, hoy i Mgr Zygmunt Robasckiewicz, Evekan'i Mahajanga, tamin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny Misiona... ♦ Notanterahana tao Toamasina ny zaikaben'ny Vondrom-bavaky ny Apôstôlin'ny Famindrampon'Andriamanitra ho an'ny Arsidiôsezy Atsinanana...
Boky Eksaody (Eks. 22, 21-27)
Izao no nolazain’ny Tompo:
“Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy
fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianao.
Aza manao izay mampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty;
fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao,
dia hitaraina amiko izy,
ka hohenoiko ny fitarainany;
hirehitra ny hatezerako ka haringako amin’ny sabatra ianareo;
ary ny vadinareo ho mpitondra tena,
ny zanakareo ho kamboty.
Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao,
amin’ny mahantra eo aminao,
aza mitsangan-ko mpanàna vola aminy,
aza maka zana-bola aminy.
Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao
dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro,
fa iny no hany firakofany,
iny no fitafiany anaronany ny vatany,
ka inona àry no hoentiny mandry?
Raha mitaraina amiko izy,
hohenoiko ny fitarainany,
fa antra olona Aho”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 17, 2-3a. 3bd-4. 47-51ab
Mamiko Ianao, ry Tompo fa heriko,
Tompo Vatolampiko, toera-mafy ho ahy,
Andriamanitra Mpanafaka,
haram-bato fialofana.
Ampinga, famonjena mahery,
fiarovana-avo ho ahy.
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny rafiko aho!
Veloma ny Tompo!
Hisaorana ny Vatolampiko!
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany,
anehoany fitiavana ilay Nohosorany.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 5d-10)
Ry kristianina havana,
fantatrareo izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo.
Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be
sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina,
dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo,
ka tonga fakàn-tahaka ho an’ny mpino rehetra
any Masedônia sy Akaia kosa indray.
Ary tsy tany Masedônia sy Akaia ihany
no tongan’ny akon’ny tenin’Andriamanitra avy tany aminareo,
fa niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra,
ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay,
ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho aty aminareo,
sy ny nialanareo tamin’ny sampy,
mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra
izay natsangany ho velona,
dia i Jesoa izay nanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)
Tamin’izany andro izany,
nony ren’ny Farisianina
fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina,
dia nivory izy rehetra;
ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin’izy ireo
nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo,
sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo.
Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
ary ny faharoa,
izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ao amin’izany didy roa izany
ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco