Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 45, 1. 4-6)
Izao no lazain’ny Tompo amin’i Sirosy
ilay voahosony izay notantanany tamin’ny tanany havanana,
mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany,
sy hamaha ny fehikibon’ireo mpanjaka,
ary hamoha ny varavarana eo anoloany,
mba tsy ho voasakana tsy hiditra amin’ireny izy:
“I Jakôba mpanompoko sy i Israely voafidiko
no niantsoako anao tamin’ny anaranao;
sy nanendreko anao,
fony mbola tsy nahalala Ahy ianao.
Izaho no Tompo ary tsy misy hafa koa;
tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Nampisikina anao Aho,
fony ianao tsy mbola nahalala Ahy,
mba hahafantaran’ny olona,
hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany,
fa tsy misy na inona na inona afa-tsy Izaho!
Izaho no Tompo ary tsy misy hafa”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 95, 1 sy 3. 4-5. 7-8. 9-10ad
Ihirao hira vao ny Tompo,
ihirao ny Tompo, ry tany tontolo.
Ambarao ny firenena ny voninahiny,
ny asany mahagaga lazao ny vahoaka.
Fa lehibe ny Tompo, mendri-dera fatratra,
Izy no mahatahotra fa tsy ny sampy.
Ny andriamanitr’ireo firenena: tsinontsinona,
ny Tompo kosa nanao ny lanitra.
Omeo ny Tompo, rey fokom-pirenena,
omeo Azy ny voninahitra sy ny hery;
eny, omeo ny Tompo
ny voninahitry ny Anarany.
Iankohofy ny Tompo amim-panamiana masina.
Mangovita eo anoloany, ry Tany tontolo,
ilazao ny firenena: “Manjaka ny Tompo!
ny vahoaka, tsarainy araka ny hitsiny!”
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 1-5b)
Izaho Paoly sy i Silvano ary i Timôte,
mamangy ny Eglizy any Tesalônika,
izay ao amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana.
Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva
noho ny aminareo rehetra izahay,
sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,
ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika
ny asan’ny finoanareo,
sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo
ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika,
fa fantatray, ry kristianina havana, malalan’Andriamanitra,
fa olom-boafidy ianareo,
satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo
dia tsy tamin’ny teny ihany,
fa tamin’ny hery koa,
sy tamin’ny Fanahy Masina,
ary tamin’ny fampiaikena tanteraka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 15-21)
Tamin’izany andro izany,
niray tetika ny Farisianina hamandrika an’i Jesoa amin’ny teniny.
Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin’ny Herôdianina
ho any aminy izy ireo nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
fantatray fa marina Ianao,
ary mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina,
ka tsy mampaninona Anao ny olona;
satria tsy mizaha tavan’olona Ianao.
Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin’ity:
mety va ny mandoa hetra ho an’i Sezara sa tsia?”
Fa i Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe:
“Ry mpihatsaravelatsihy,
nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Asehoy ahy ny farantsa kely fandoa amin’ny hetra”.
Dia nanasehoany denie iray Izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Sarin’iza, sy anaran’iza ity?”
Hoy ireo hoe:
“An’i Sezara”.
Ka hoy Izy:
“Raha izany àry,
dia aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara,
ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Sarotra ny miaina ny fanetren-tena, fa efantsika izany rehefa miaraka amin’Andriamanitra, hoy ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny fanokafana ny Jobily faha-800 taonan’ny fiainan’ny Fransiskanina… ♦ Tsy manery, fa manaja tanteraka ny fahafahan’ny olombelona Andriamanitra, hoy ny votoatin’ny fampianaran’i Papa François tamin’ny Angélus, omaly… ♦ Nanavao ny antso mba hisian’ny fanajana ny zo aman-kasin’ny maha olona ao Gaza, ny Papa François…
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 4, 13. 16-18)
Ry kristianina havana,
tsy ny Lalàna no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany
fampanantenana handova izao tontolo izao,
fa ny fahamarinana avy amin’ny finoana.
Koa ny finoana no handovana,
mba ho araka ny fahasoavana,
ka ho mafy ho an’ny taranaka rehetra ny fampanantenana,
dia tsy ho an’izay amin’ny Lalàna,
fa ho an’izay amin’ny finoan’i Abrahama koa,
satria raintsika rehetra izy
(araka ny voasoratra hoe: “Natsangako ho rain’ny firenena maro ianao”)
eo anatrehan’izay ninoany,
dia Andriamanitra mpamelona ny maty,
sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy.
Nino izy,
fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza,
ka tonga rain’ny firenena maro,
araka ny voalaza taminy hoe:
“Ho tahaka izany ny taranakao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 104, 6-7. 8-9. 42-43
Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba ianareo voafidiny!
Izy no Tompo Andriamanitra:
manerana ny tany tontolo ny fitsarany.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny:
dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo:
ilay niantohany tamin’i Abrahama,
sy nianianany tamin’i Isaaka.
Eny, tsaroany ny teniny masina
tamin’i Abrahama mpanompony;
ka dia navoakany ny olony ka niravo;
sy ireo voafidiny, ka nihoby.
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 8-12)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona
dia hoeken’ny Zanak’Olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra;
fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona kosa
dia holavina koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra.
Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’Olona
dia hahazo famelan-keloka ihany,
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa
dia tsy hahazo famelan-keloka intsony.
Raha entina ho any amin’ny Sinagôga sy ny mpifehy
ary ny manam-pahefana ianareo,
dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo
fa hatoron’ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany
izay holazainareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 4, 1-8)
Ry kristianina havana,
inona àry no holazaintsika ny amin’i Abrahama razantsika,
fa azony araka ny nofo?
Raha noho ny asa no nanamarinana an’i Abrahama,
dia manana hireharehana ihany izy;
nefa tsy manana izany akory izy, eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa ahoana hoy ny Soratra Masina?
Izao: nino an’Andriamanitra i Abrahama,
ka izany no notanana ho fahamarinany.
Satria amin’izay miasa,
dia tsy heverina ho fahasoavana ho azy ny karama,
fa hoe trosa;
ary amin’izay tsy miasa,
fa mino an’Ilay manamarina ny ratsy fanahy,
no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany,
araka ny lahatry ny fahasoavan’Andriamanitra.
Izany no ilazan’i Davida ny hasambaran’ny olona
itanan’Andriamanitra fahamarinana tsy aman’asa hoe:
Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany;
sambatra ny olona tsy hitanan’Andriamanitra heloka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 31, 1-2. 5. 11
Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota!
Eny, sambatra ny olona
tsy itanan’ny Tompo hadisoana
sy tsy misy fitaka eo am-bava!
Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako.
Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho:
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota!
Mifalia ao amin’ny Tompo!
miravoa, ry olo-marina!
Mihobia avokoa,
ry mahitsy fo!
Aleloia. Aleioia.
Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 1-7)
Tamin’izany andro izany,
tafangona an’arivony maro ny olona
ka efa nila hifanosy mihitsy,
dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe:
“Tandremo aloha indrindra
sao voan’ny lalivain’ny Farisianina ianareo,
izany hoe: ny fihatsarambelatsihy.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra.
Koa izay rehetra nolazainareo tao amin’ny maizina
dia ho re ao amin’ny mazava,
ary izay nobitsihinareo tamin’ny sofina tao an-trano,
dia hotorìna eny an-tafon-trano.
Ka izao no lazaiko aminareo sakaizako:
Aza matahotra izay mahafaty ny nofo,
nefa rahefa izany tsy afa-manoatra intsony;
fa hany tokony hatahoranareo dia izao:
matahora izay manam-pahefana hamarina any amin’ny afobe
rahefa novonoiny ianareo;
eny, hoy Aho aminareo, matahora azy.
Moa tsy ilavoamena va no vidin’ny fody dimy?
Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireny
na dia iray aza.
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.
Koa aza matahotra àry,
fa mihoatra lavitra noho ny fody maro ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco