Boky Eksaody (Eks. 34, 4b-6. 8-9)
Tamin’izany andro izany, dia nifoha maraina koa i Môizy,
niakatra ny tendrombohitra Sinaia, araka ny nandidian’ny Tompo azy;
nentiny teny an-tanany ny takelaka vato roa.
Dia nidina tao anatin’ny rahona ny Tompo ka niara-nijanona taminy teo,
sy nanonona ny anarana hoe: Iaveh! Tompo!
Ary nandalo teo anatrehany ny Tompo sady niantso hoe:
“Izaho no Iaveh Tompo,
Andriamanitra mamindra fo sy miantra,
mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana”.
Niondrika tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Môizy,
dia niankohoka, nanao hoe:
“Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo,
aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo,
fa vahoaka mafy hatoka ity.
Avelao ny heloka amam-pahotanay,
ary raiso ho lovanao izahay”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56.
Isaorana ny Tompo Andriamanitry ny razanay:
Ny Anaranao masina be voninahitra:
Ianao ao an-Tempolinao masina:
Ianao eo ampiketraham-piandrianana
Isaorana Ianao mahatsinjo ny hantsana:
Isaorana Ianao eo ambony kerobima:
Ianao eny amin’ny habakabaky ny lanitra:
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 13, 11-13)
Ry kristianina havana,
mifalia,
miezaha ho lavorary,
mifanalà alahelo,
miraisa hevitra,
mihavàna tsara,
dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana.
Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina.
Manao veloma anareo ny olomasina rehetra.
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo,
sy ny fitiavan’Andriamanitra,
ary ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina!
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-18)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’i Nikôdema hoe:
“Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao:
nomeny ny Zanany tokana,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao,
mba hitsara izao tontolo izao,
fa mba hamonjy izao tontolo izao.
Izay mino Azy dia tsy tsaraina:
fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo,
satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Ankalazaina ny 27 mey 2023, ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie, Jean Marie Vianney, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga, iombonan'ny Arsidiôsezy Atsinanana... ♦ Nanatanteraka fiofanana tao anatin'ny telo andro tao Befotaka, ireo Kômity mpanatanteraka, Diôsezin'Ambanja MDMK-CVX... ♦ Nitombo iray indray ny isan'ny fiangonana iandraiketan'ny fikambanan'ny Pretra Karma any amin'ny Diôsezin'i Moramanga...
Zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zanaka dia hanana ny fahavanonam-piainana izy. Ho lavitry ny herisetra sy ny risoriso izay manapotika ny fiaraha-monina izy ireo raha voataiza hanaraka ny lalana tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Bokin’i Siràka (Ekl 51, 12-20)
Hankalaza Anao aho, ry Tompo,
sy hidera Anao, ary hisaotra ny Anaranao.
Fony aho mbola tanora mbola tsy naniasia,
dia nitady an-karihary ny fahendrena aho tamin’ny fivavahako.
Nangataka izany teo anoloan’ny tempoly aho,
sady hikatsaka azy hatramin’ny farany.
Tamin’ny fahitana ny voniny, toy ny fahitana ny salohy mihamena,
dia nifaly ny foko.
Nizotra ny lala-mahitsy ny tongotro nomba azy;
nanaradia azy hatramin’ny fahatanorako aho.
Nanongilan-tsofina taminy kelikely aho dia nandray azy,
ka nahazo fampianarana lehibe ho ahy.
Tombon-tsoa lehibe no azoko avy aminy;
ka sitrako ny manome voninahitra Ilay nanome ahy ny fahendrena.
Satria tapa-kevitra ny hanaraka azy aho;
nikely aina hanao soa, ka tsy ho very fanantenana.
Mba ho azy no niadian’ny fanahiko,
sy nanaovako ny asako tamim-pitandremana lehibe.
Nasandratro ny tanako, ka nalahelovako ny tsy nahalalako azy.
Notarihiko hankaminy ny fanahiko, dia nahita azy,
noho ny fahadiovan-toetrako.
Niaraka taminy hatramin’ny voalohany aho, dia nahazo fahalalana,
ka noho izany tsy hoariana aho na oviana na oviana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 18, 8. 9. 10. 11
Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry ny olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava, manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana,
samy rariny avokoa.
Mahatehaniry noho ny volamena,
sy ny avosam-bolamena madio;
mamy noho ny tantely,
sy ny tohon-tantely mitsonika.
Aleioia. Aleloia.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema,
Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)
Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany.
Ary raha niasa dia teo anatin’ny Tempoly i Jesoa,
dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona, ka nilaza taminy hoe:
“Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao?
Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo,
ka raha voavalinareo,
dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.
Avy aiza ny batemin’i Joany,
avy any an-danitra sa avy amin’ny olona?
Valio Aho.”
Dia nieritreritra izy ireo ka nanao hoe:
“Raha valiantsika hoe avy any an-danitra manko,
dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo?
Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa,
ny vahoaka indray no atahorantsika;
fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany.”
Dia izao no navaliny an’i Jesoa:
“Tsy fantatray.”
Ary hoy kosa i Jesoa:
“Izaho koa, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco