♦ Hanefa ny adidiny hifidy izay ho Filoham-pirenena, ny Malagasy feno taona rahampitso, araka ny voalazan'ny lalàna manan-kery. Voararan'ny lalàna ny finiavana hanakorontana mandritra ny fotoam-pifidianana, hoy ny Tonia Mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra Navalona... ♦ Tombanana hiverina hianatra ireo mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, tsy mbola nianatra noho ny fitokonan'ny SECES, ny alatsinainy ho avy izao, hoy ny tompon'andraikitra. Nidina an-dalambe nandoro kodiarana omaly, ny ampahany amin'ny mpianatra...
Teo amin'ny akohonam-piainana kristiana voalohany : araka ny fampianaran'i Jesoa, tsy mifanohitra amin'izany ny nampianarin'ireo Apôstôly. Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana satria tsy misy fahefana tsy avy amin'Andriamanitra fa voatendriny avokoa izay misy rehetra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Manentana ny olom-pirenena hanefa ny adidiny amin'ny fifidianana ho Filohan'ny Repoblika amin'ny alakamisy ho avy izao ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sôsialy, Rivotiana Jean Bosco... ♦ Miantso ny antoko pôlitika mivondrona ao aminy sy ny vahoaka mpanara-dia azy, tsy handeha hifidy amin'ny alakamisy izao, ny RMDM... ♦ Nidina an-dalambe, nandoro kodiarana indray androany, ny ampahana mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Hiverina hianatra ireo mpianatra tsy mbola nianatra noho ny fitokonan'ny SECES ny alatsinainy izao...
♦ Hifarana afaka 12 ora ny fampielezan-kevitra eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara, ho an'ny fifidianana amin'ny alakamisy izao. Mbola manana fe-potoana hatramin'ny anio amin'ny misasakalina, handresen-dahatra ny mpifidy azy, ireo kandidà telo... ♦ Ahiana ho vao mainka hafana ny tsy fitovian-kevitra eto amin'ny firenena, amin'ny 16 nôvambra 2023, hoy ny FMKT, ikambanan'ireo mpikamban'ny Kôngresin'ny Tetezamita teo aloha. Nambaran'izy ireo fa tsy hovoaravin'ny fifidianana ny toe-draharaha ankehitriny...
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco