Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 12-14)
Tamin’izany andro izany;
nony tafakatra any an-danitra i Jesoa dia niverina tany Jerosalema ny Apôstôly,
avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva,
izay lalana azo aleha sabata raha eo Jerosalema.
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo,
dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tômà, i Bartelemy sy i Matio,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Joda rahalahin’i Jakôba.
Niray saina izy rehetra,
ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany,
sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 26, 1. 4. 7-8a
Ny Tompo faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
hany ataoko Anao, ry Tompo:
ny honina an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako,
mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo
sy hibanjina ny toerany masina.
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso;
iantrao aho ka valio.
Tadiavo ny Tavako, hoy ianao:
ny Tavanao, ry Tompo, no tadiaviko.
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 4, 13-16)
Ry hava-malala,
mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy,
mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana
amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.
Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy,
fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’ny voninahitra sy ny fahefana,
dia ny Fanahin’Andriamanitra.
Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona,
na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan’olona;
fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany,
dia aoka tsy ho menatra amin’izany izy,
fa vao mainka hanome voninahitra an’Andriamanitra aza,
noho izany anarana izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo,
fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 1-11a)
Tamin’izany andro izany:
i Jesoa niandrandra ny lanitra ka nivavaka hoe:
“Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao,
mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao,
fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy,
mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.
Ary izao no fiainana mandrakizay,
dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.
Nanome voninahitra Anao Aho tety ambonin’ny tany,
fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko.
Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô,
ny manome voninahitra Ahy eo aminao,
dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao.
Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy ao amin’izao tontolo izao Aho;
Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.
Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy;
satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny;
dia fantany marina fa avy aminao Aho,
ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy.
Mangataka ho azy ireo Aho.
Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho,
fa ho an’izay nomenao Ahy,
satria Anao izy ireo
(fa Anao izay Ahy rehetra ary Ahy izay Anao rehetra),
ary nahazo voninahitra amin’izy ireo Aho.
Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho;
izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao,
fa Izaho kosa ho any aminao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nanatanteraka fiofanana mitohy nandritra ny telo andro, ireo Inspecteurs sy Katesista avy ao amin'ny Misiona telo ao Mandritsara, Diôsezin'i Port-Bergé, nanomboka ny talata teo... ♦ Efa ao anatin'ny fiomanana tanteraka amin'ny fandraisana ireo ankizy avy amin'ny diôsezy manerana an'i Madagasikara, ny Diôsezin'Antananarivo, izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy andiany fahatelo... ♦ Hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy Katôlika ny FFBKEM, ny 14 mey 2023 ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Ny herisetra dia misy endriny maro toy ny risoriso ihany. Misy ny herisetra amin'ny vatana, amin'ny saina ary amin'ny fanahy ihany koa. Miteraka fahasimbam-piainana ireo herisetra rehetra ireo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 1-11)
Ry Teôfily, efa voalazako tamin’ny boky voalohany
ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny,
hatramin’ny andro nampiakarana Azy,
nony efa nomeny ny didiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ny Apôstôly izay nofidiny.
Taorian’ny nijaliany,
dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa,
sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy,
ary nilazalaza ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.
Ary ilay niaraka tamin’izy ireo iny Izy,
dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema,
fa hiandry izay nampanantenain’ny Ray,
araka ny efa renareo tamin’ny vavako, hoy Izy.
Fa i Joany nanao batemy tamin’ny rano,
ary ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina, raha afaka andro vitsivitsy.
Ka izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe:
“Tompoko,
amin’izay va no fotoana hanangananao ny fanjakan’i Israely indray?”
Fa hoy ny navaliny azy ireo:
“Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana
izay efa nalahatry ny Ray amin’ny fahefany.
Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery,
ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary i Samaria,
ka hatrany amin’ny fara vazan-tany”.
Nony efa nilaza izany Izy, dia nakarina teo anatrehan’izy ireo:
ary nisy rahona nanakona Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.
Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo,
tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany,
dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany nanao hoe:
“Ry lehilahy avy any Galilea,
nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra?
Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny,
dia mbola ho avy indray,
tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 46, 2-3. 6-7. 8-9
Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana;
mifalifalia ianareo Anjely:
fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.
Andriamanitra miakatra hobîn’ny vahoaka;
ny Tompo misandratra am-peon’anjomara.
Antsao ny Tompo, antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika, antsao!
Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Izy:
koa arindrao izany antsa.
Andriamanitra am-piketrahany masina
manjaka amin’ireo firenena.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 17-23)
Ry kristianina havana,
Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra,
dia hanome anareo ny Fanahin’ny fahendrena amam-panambarana hahalalana Azy tsara;
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao:
ny fanantenana niantsoany anareo,
ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
ary ny halehiben’ny fahefany mihoapampana ho an’izay mino,
hita amin’ny fiasan’ny heriny tsitoha.
Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany,
tamin’ny nananganany Azy ho velona,
sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,
ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra,
ny fifehezana rehetra, ny fanjakana rehetra,
ary ny anarana rehetra azo tononina,
tsy amin’izao fiainana izao ihany,
fa amin’ny fiainana ho avy koa,
fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra,
ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy,
izay tenany famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany
amin’ny rantsam-batany rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo
ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt.28, 16-20)
Tamin’izany andro izany,
ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy dia nankany Galilea,
any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany.
Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe:
“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra,
manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo.
Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva
ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco