♦ Sorona Masina notarihan'y Eveka Mpanampy ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo Mgr Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste no nentina nankalazana ny fetin'i Masindahy Johany Bosco, ny sabotsy 31 janoary teo. Nifanindran-dalana tamin'izany ny fanokafana ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-30 niorenan'ny Radio Don Bosco... ♦ Vaky omaly alahady 1 febroary, tamin'ny 3ora sy sasany maraina ny fonjan'i Moramanga, gadra 14 tamin'ireo 96 tao, no tafatsoaka... ♦ Distrika maromaro eto Madagasikara no nitondra takaitra vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Fy-Tia, isany voa mafy tamin'izany i Mahanjanga...

Ny lahabolana "Kalo" na "kalokalo dia lahabolana atao an-kira, hirain'olon-tokana, fahatsiarovana sy fiventesana an-kira embona sy alahelo, mety ho fifaliana na alahelo. Ny teny hoe "kalo" dia mifanandrify amin'ny teny Malay hoe "Kalu" "kelu" midika hoe mitaraina na mitoloko ; "kalaw" midika ho "mpitsoka sodina". Ny teny "kalo" ankoatra ity enti-manondro lahabolana dia hanondrona " ody, na fiarovana, na famaritana na famantarana toerana na zavatra manan-tompo. Ny kalo dia lahabolana effa nisy sy fanaon'ny Malagasy talohan'ny nampidirana ny Literatiora teto Madagasikara...

♦ Atahorana ho vaky ny fefilohan'i Sisaony morony havanana any Ampahitrosy. Kaominina maro eny Atsimondrano no nahazo fampitandremana Loza, avy amin'ny APIPA omaly tolakandro... ♦ Olona fito no namoy ny ainy tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Fytia, raha ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC. Maherin'ny 60.500 ireo traboina, mponina maherin'ny 19.000 voatery nafindra toerana... ♦ Hisokatra ny famoahana ny fahazoan-dalana mikaroka sy mitrandraka harena ankibon'ny tany, rehefa niato nandritra ny 16 taona. Feno ny fepetra hamoahana izany, hoy ny eo anivon'ny ministeran'ny harena an-kibon'ny tany omaly...

Feno herintaona katroka ny Arofanina. Zana-pandaharana iray eto amin’ny Radio Don Bosco. Matoandahatsoratra novokarin’ny sampana fampahalalam-baovaon’ny RDB. Ny 03 Febroary 2025 no nisantarana ity fandaharana manokana Arofanina ity. Natao hamakafakana sy handalinana ny zavamisy eto amin’ny firenena, mahakasika ny sosialy ny toekarena, ny politika, ny trangam-piarahamonina sy ny sisa. Herintaona nitondrana fomba fijery sy famakafakana ny andavan'androm-piainan-dramalagasy. Herintaona nanabezana, nampitana fahalalana, fanakianana.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...