Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin'ny fasana i Maria Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin'ny fasana ny vato. Nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana izy. Ary teo am-pitomaniana, dia niondrika izy ka nahita anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin'izay nipetrahan'ny vatan'i Jesoa, ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra. Dia hoy izy ireo taminy : "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?" Ka hoy izy namaly ireo : "Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy". Nony avy nilaza izany izy, dia nitodika, ka nahita an'i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe i Jesoa io. Ary hoy i Jesoa taminy : "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?" Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy : "Raha ianao re no naka Azy, tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy". Dia hoy i Jesoa taminy : "Ry Maria!" Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe : "Rabóný!" (Izany hoe Mpampianatra). Hoy i Jesoa taminy : "Aza mikasika Ahy, fa mbola tsy niakatra tany amin'ny Raiko Aho, fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary any amin'ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo!" Dia lasa i Maria Madelenina ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe : "Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko".
♦ Nankahery ireo pretra Karma vao nohamasinina omaly, i Mgr Rosario Vella, mba tsy ho kivy manoloana ireo fakam-panahy amin'ny maha olombelona... ♦ Nanentana ny fiaraha-miasan'ny lahika sy ny pretra, ny arsevekan'Antsiranana, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, nandritra ny fanamasinana ireo pretra efatra mirahalahy, tany Sambava... ♦ Nanao antso avo ho an'ny tanora, ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, mba hanome lanja an'Andriamanitra sy ho modely ho amin'ny fiainana, nandritra ny fanamasinana ho pretra ireo tanora efatra mirahalahy avy amin'ny fikambanana Oblats de Marie Immaculée, tao Toamasina...
Tamin’izany andro izany, nony efa nampody ny vahoaka i Jesoa dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: "Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy." Ary i Jesoa namaly ka nilaza taminy hoe: "Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona; ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy; ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely. Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao. Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’Olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny Fanjakany, ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny Fanjakan’ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana."
Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin'ny vahoaka nanao hoe : "Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny voatsinapy izay nalain'ny olona ka nafafiny tany an-tanimboly. Kely indrindra amin'ny voan-javatra reheta izy ; fa rehefa mitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo ; dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin'ny rantsany". Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe : "Ny fanjakan'ny lanitra, dia mitovy amin'ny lalivay, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka natony tao amin'ny koban-dafarina intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny lalivay azy rehetra".
Fanoharana no nilazan'i Jesoa izany rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin'ny fanoharana, mba ho tanteraka ny tenin'ny mpaminany manao hoe : Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin'ny nanaovana an'izao tontolo izao.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco