Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin’ny vahoaka koa, nanao hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny; fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan’ahidratsy tamin’ny vary, dia lasa. Nony naniry ny vary, ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy. Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe: "Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao, ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?" "Ny fahavaloko no nanao izany", hoy ny navaliny. "Tianao va ny handehananay hiava azy?" hoy ireo mpanompony taminy. "Tsia, hoy izy, fandrao hongotanareo mbamin’ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo. Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitra ny vary."

♦ Nanentana ny Salezianin'i Don Bosco hanana faharetana ombam-panetren-tena amin'ny fanompoana ny tanora i Mgr Rosario Vella, tamin'ny fanokafana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Salezianin'i Don Bosco teto Madagasikara, ny alarobia lasa teo... ♦ Voatendry ho Visiteur provincial an'ny fikambanana Congrégation de la Mission (Lazarista) eto Madagasikara i Mompera Farasely Gaston...

“Faharetana ombam-panetren-tena, fahazotoana mikarakara ny tanora, fiainana ny voady telo maha-relijiozy” : Ireo no votoatin’ny hafatr’i Mgr Rosario Vella, eveka salezianina, isan’ireo mpamaky lay ny salezianina teto Madagasikara, tamin’ny fanokafana ny fankalazàna ny faha-40 taona ny nahatongavan’ny Salezianin’i Don Bosco teto Madagasikara.

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin’i Tsiroanomadidy i Mgr Gabriel Randrianantenaina. Efatra taona lasa izay no nanendrena an’i Mgr Gustavo Bombin Espino, evekan’io dioezy io teo aloha ho evekan’i Maintirano. Ny alahady 11 jolay 2021 no nanatanterahana ny fanamasinana azy ho eo amin’ny laharana mahaeveka, tao amin’ny kianjan’ny lisem-panjakana, tao amin’ny renivohitry Tsiroanomandidy.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...