♦ "Inty aho tonga hanao ny sitraponao" (Heb 10, 9a), io no teny nofidian'i Cher Frère Julien Ratsimbazafy amin'ny andraikitra vaovao izay sahanin'ny amin'ny maha Visiteur vaovaon'ny fikambanana Lasalianina azy... ♦ Hiantso Sinaody atao ao anatin'ny dimy taona ny Arsidiôsezin'Antsiranana ka hosokafana ny volana ôktôbra izao izany... ♦ Tontosa soa aman-tsara ny fandidiana natao tamin'ny Papa François omaly tolakandro, araka ny fanambarana nataon'ny fiandraiketana ny filazam-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina...

♦ Hotontosaina ny alahady 11 jolay 2021 ny fanamasinana ho eveka an'i P. Gabriel Randrianantenaina, notendren'ny Papa François ho evekan'ny diôsezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Hotanterahana ny sabotsy 3 jolay 2021 eny Soavimbahoaka amin'ny 10 ora maraina ny Sorona Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana ny maha lehiben'ny Fikambanana Frères des Écoles Chrétiennes an'i Très Cher Frère Julien Ratsimbazafy...

Tamin’izany andro izany, indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa ity lehilahy anankiray sady moana no azon’ny demony. Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: "Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely." Fa ny Farisianina kosa nanao hoe: "Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony." Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Henoy àry ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy. Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be. Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay, nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy. Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny, ary ny sasany telopolo heny."

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...