• Tany amin'ny 105 km atsimon'i Bevoalavo Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza Honde, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Nihemotra ho amin'ny 28 marsa 2025 indray, raha tokony ho natao androany teny amin'ny Fitsarana Anosy, ny fotoam-pitsarana ny raharaha fampiakarana nataon'Andriamatoa Barson Rakotomnaga sy ny Profesora Sammy Grégoire Ravelonirina... • Efa manomboka hita taratra ny fivoarana eo amin'ny paikadim-pirenena hampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga eto amintsika ankehitriny...

• Manatanteraka ny fihaonambe voalohany amin'ity taona ity, ireo pretra ao amin'ny Secteur Avaratra, Diôsezin'Antsiranana... • Andao hiara-dia ao amin'ny fanantenana, io no lohahevitra anentanan'ny Ray masina ny kristianina rehetra maneran-tany, amin'ny karemy 2025... • Afaka natory tsara ny Papa François nandritra ny alina, araka ny loharanom-baovao avy ao amin'ny Fiketrahana Masina...

Manana andraikitra amin'ny famokarana masomboly ry zareo ao amin'ny Fikambanana tantsaha CLASS Mananasy, Distrika Soavinandriana, Faritra Itasy. Izy ireo izay afaka nanabe voa ny famokarana tamin'ny alalan'ny tetik'asa BREOMA. Efa ela no niorina ny fikambanana tantsaha CLASS hoy Ramatoa Raketabao Soanoelijaona filohany. Rehefa nahazo fanohanana tamin'ny tetik'asa izy nefa ireo dia niroso ho ara-panjakàna tamin'ny taona 2022...

Sehatra manan-danja ary tsy azo idovirana eo amin’ny fiainan’ny olona iray, na fianakaviana, na fiaraha-monina, ary indrindra ny firenena ny fanabeazana. Tsy maintsy misy lafin-javatra omena lanja ao dia : ny fampianarana, fianarana, fampitana, fahaiza-manao, sns, mba afahanana mivelatra amin’ny maha-olona feno. Anisan’ny mandrafitra io maha-olona feno io ny ara-batana, ara- tsaina, ara-panahy, ara-piaraha-monina, ary ny ara-pihetseham-po. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...