• Miha mehery hatrany ny rivotra entin'ilay rivo-doza HONDE ao amin'ny lakan-dranon'i Môzambika. Vinavinaina ho lasa "Cyclone Tropical" izy ao anatin'ny 24 ora hoy ny Météo Madagascar...
  • Nankatoavin'ny Filan-kevi-pitantanan'ny tahirim-bola iraisam-pirenena ny hamoahana ny vola 103 tapitrisa Dôlara amin'ny andiany voalohan'ny FEC sy ny FRD. Famatsiam-bola hanampiana ny kitapom-bolam-panjakàna...
  • Nanome baiko hanakatonana ny faritra MAPUTO ao ain'ny fonjan'Antanimora ny Ministry ny Fitsaràna. Tsy tokony hisy hoy  izy ny fanomezana tombon-dahany ho an'ny voafonja manan-katao...
  • Mitsidika ny any Portugal mandritra ny 2 andro ny filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron. Hiompana amin'ny fanomanana ny fihaonamben'ny firenena Mikambana momba ny ranomasina ny diany...

Manana adidy ny hanarina ny fiaraha-monina ny tsirairay ; ny rehetra rahateo dia samy voakasiky ny hodidina telozoron'ny fanabeazana. Ireo mandrafitra ny telozoron'ny fanabeazana dia : Ny mpampianatra sy ny mpanabe, ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina, ary indrindra ny Mpianatra tenany. Efa taon-jato roa no nisian'ny finoana kristianina teto Madagasikara fa indrisy mbola ezaka goavana ny fampandalàna ny fahamarinana sy ny fametrahana ny fahaiza-mitarika... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Mety hivadika rivo-doza mahery "Cyclone Tropicale" ilay rivo-doza HONDE ao amin'ny lakan-dranon'i Môzambika. Efa mipaka any amin'ny morontsiraka atsimo-andrefana ny rahona miaraka aminy androany maraina...
  • Nihaona teny Tsimbazaza omaly ny mpikamban'ny Vaomieran'ny Fandriam-pahalemana notarihan'ny filohany sy ny Ministry ny Foloalindahy. Noresahana nandritra izany ny momba ny tsy fandriam-pahalemana amin'ireo Distrika maro manerana ny nosy, sy ny hetahetan'ny vahoaka eny ifotony...
  • Tombanana hatrany amin'ny 1.100.000 isa ny isan'ny mpandeha horaisin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ety Ivato amin'ity taona 2025 ity araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra...
  • Namaky ady ara-barotra amin'i Eraopa ny fitondran'i Donald Trump. Hoampiharina amin'ireo firenena eraopeana koa y haban-tseranana 25%, ho an'ny entana miditra any Etazonia...

27 febroary — Isan'ireo mponina antsoina hoe "Gaulois" i Honorine ary niaina tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo. Maty martiry tamin'ny taona 303 izy ary natsipy tao amin'ny reniranon'i Seine ny fatiny.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...