… /… Fitohanan'ny fifamoivoizana na tohim-boivoy, na embouteillage e! Teny hilazantsika azy avokoa izany. Dia efa zary fiainana andavanandron'Antananarivo ity resaka embouteillage ity. Efa tsy hakana lagy, hoy ny fomba fiteny. Lasa eritreritra ny Arofanina fa tsy mety voavaha mihitsy io olana io, efa am-polom-polo taona maro. Ny fitomboan'ny mponina no antony voalohany mahatonga ny fitohanan'ny fifamoivozana lavareny eto Antananarivo. Fantatra manko fa manodidina ny 3 tapitrisa ny mponina ao an-drenivohitra, miampy ireo mipetraka manodidina, izay mbola miasa, mivarotra, na manao raharaha hafa ao....

Ny fankalazàna ny Eokaristia na Lamesa na Sorona Masina, araka ny fahalalantsika azy dia manomboka eo amin'ny hira fidirana na fanombohana ary mifarana amin'ny hira fanirahana. Mivelatra ho fizaram-potoana miisa roa lehibe izy, nefa mirafitra ho tokana ihany ny votoatiny : voalohany ny famoriana na fanokafana ny fankalazana ary ny faharoa dia ny fankalazana ny Sorona na ny litorjian'ny Eokaristia... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Anatin'ny asivinandro mialohan'ny Noely isika ; zava-dehibe ny fihavanana eo amin'ny fiaraha-monina ary ao amin'ny Tompo. Fotoana izao hihavanana amin'ny rehetra, amin'ny alalan'ny Sakramentan'ny Fihavanana ary ny fihavanana amin'isika samy isika olombelona. Isika rehetra dia efa natao hiombona ary miombina ao amin'i Jesoa Kristy. Isika dia manana adidy hiaro ny tanindrazana, ny havana sy ny mpiray monina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Sakramenta ny Eokaristia. Io Eokaristia io no manambara an'i Kristy sy ny fiffanekeny nataony ho antsika olombelona ankehitriny. Ny Eokaristia no faratampon'ny fiainana ny sakramenta rehetra satria izy no mampiombona ny Kristiana rehetra amin'ny tolotr'i Kristy, "amin'ny alalany sy miaraka aminy ary ao aminy" dia tonga mitoetra ao Aminy isika, mba hanajantsika ny Ray miaraka amin'ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...