• Isan'ny lasibatry ny tondra-drano vokatry ny rotsak'orana teto an-drenivohitra ny teny Ankorondrano sy ny manodidina. Nitondra fanampiana ho azy ireo ny Solombavambahoaka voafidy Gasikara Fenosoa...
  • Homarihana any Mahajanga Faritr'i Boeny ny 4 hatramin'ny 8 marsa ho avy izao ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy...
  • Nahatontosa ny fambolen-kazo iraisana ny tao amin'ny Diôsezin'Antsiranana. Zanakazo 7.000 fototra no novolena tao Anivorano-Avaratra, Distrikan'Antsiranana-II...
  • Manao rano lava ny firariantsoa sy ny vavaka ho an'ny fahasalaman'ny Papa François mbola manaraka fitsaboana ao amin'ny Hopitaly GEMELLI. Hatramin'ny mpino avy amin'ny Eglizy Anglikanina miombom-po sy mivavaka ho an'izay fahasalaman'ny Papa izay...

Maro ireo soatoavina malagasy tsara sy azo iainana ary nampiavaka ny mponina teto amin'ity nosy Madagasikara ity. Soatoavina mampandroso toa ny Fitiavana, Fahamarinana, Fihavanana. Tsy maintsy ny Malagasy rehetra anefa no miara-miaina ireo soatoavina ireo mba hisian'ny fandrosoana azo antoka. Manana ny lanjany ny fanabeazana, koa mila mivonona ny ray aman-dreny hanoro lalana mahitsy ny zanany, indrindra handala ny soatoavina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

20 février — I Masimbavy Aimée dia avy amin'ny fianakaviana kristianina malaza tao Assise. I Masimbavy Claire, ilay nanara-dia an'i Masindahy François d'Assise no nenitoany ary i Frère Rufin no dadatoany.

Vao vita Batemy i Jesoa, ka feno ny Fanahy Masina, talohan'ny niasany, nampianarany ampahibemaso dia nandeha nivavaka nanao laretirety 40 andro sy 40 alina tany an'efitra, tsy nisakafo tsy nisotro ; vita izay dia azon'ny fakam-panahy Izy fa vavaka no niadivany sy nitolomany tamin'izany. Ady no nataony tamin'ny alalan'ny vavaka hanoherany ny Sampy sy ny fahefàna... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...