Isan'ny endriky ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao sy ankehitriny ny Eglizy mivoaka, mitady an'ireo izay mbola eny amin'ny sisiny, ka manambara an'i Kristy fototry ny famonjena. Sarotra no manatanteraka io iraka io raha tsy hay ny mandanjalanja ka miezaka mampifanaraka ny asa fitoriana amin'ny zava-misy sy ny vanim-potoana lalovana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

11 mey 2025 — Alahady Fahefatra Fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 27-30)

10 mey — I Masimbavy Solange dia teraka tao amin'ny tanànan'i Saint Martin du Crot, ao Berry, ary tao ihany izy no maty ny 10 mey 878. Ny nandaniany ny androm-piainany dia niandry ny ondrin'ny rainy sy nivavaka tamin'izany andro izany.

Tsy natao ho an'ireo olona nanokan-tena ho an'Andriamanitra irery ny fitoriana sy ny fitaomana ny olona hanatona an'Andriamanitra fa asan'ny Eglizy manontolo, anisan'izany ireo vita Batemy rehetra. Ny vita Batemy dia voaantso hijoro ho vavolombelon'i Kristy na aiza na aiza misy azy, na aiza na aiza ivelomany. Adidin'ny Kristianina ny mampiely ny finoana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...