13 mey — I Masimbavy Dominique Mazzarello dia teraka tao Mornese tao Piémont tamin'ny 9 mey 1837. Enina no isan'ny iray tampo aminy. Tsy mba nisy sekoly tao an-tanana, ka dia ny rainy no nampianatra azy namaky teny sy nanisa.
Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny dia ny Papa. I Jesoa no nanorina ny Eglizy ary nametraka azy eo ambany fahefan'ny Apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
13 mey 2025 — Talata, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 22-30)
♦Manana olana amin'ny fidiram-bola ny Fanjakàna matoa tsy hanitsy ny teti-bolam-panjakàna eny anivon'ny Antenimiera mpanao lalàna hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Hisy ny fifaninanana fanajariana tanàna eo amin'ireo Fokontany 192 ao an-drenivohitra. Hahazo vola 200 tapitrisa Ariary hanaovana fotodrafitr'asa ireo Fokontany 5 voalohany, hoy ny filoham-pirenena... ♦ Nitondràna fanavaozana ny volavolan-drija-tenin-dalàna momba ny omby eto Madagasikara. Nisy ny fakàna sy fandravonan-kevitra mifandraika amin'izany teny amin'ny Antenimieran-doholona Anosikely, androany...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco