Tsarovy fa ny olona midonana-poana dia olona mitoe-poana sady tsy mirotsaka amin’ny asa tsara, tsy mitady izay ho atao. Hoy Masindahy Paoly hoe: “Raha misy tsy te hiasa dia tsy tokony hihinana izy.” Arak’izany dia tsy sitrak’Andriamanitra fiainana ao anatiny fidonanam-poana fa mitarika antsika amin’ny fahotana maro. Tsy vitan’izany fa mitarika ny hafa ho latsaka anatin’ny fakam-panahy. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Alahady 19 febroary 2023 — Alahady Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona A — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-48)
Ny hazon-damosina dia fitambaran'ireo taolana kely maro, mampijoro sy mampihetsika olona iray, mety hiisa 32 na 33 izy ireo. Misy karazany telo ny fivilanan'ny hazon-damosina : Ny voalohany "Scoliose" ilay mivilana miankavia sy miankavanana manao endrika "S" raha jerena avy atao aoriana ; ny faharoa "cyphose" ilay misy mibontsina na ilay atao hoe vokoka rehefa jerena mihorirana ; ny fahatelo farany "lordose" ilay misy milempona ny faritry ny hazon-damosina matetika amin'ny faritry ny valahana. Fambara : tsy mitovy ny alavan'ny tongotra, sahirana rehefa mandeha, tsy mifanitsy ny soroka, mitongilana ny loha...
♦ Miha-manakaiky ny morontsirak'ireo firenena aty amin'ny Ranomasimbe Indiana ilay rivo-doza Freddy. Mbola voatàna hatrany ny filazana loza fanairana na loko maitso ho an'ireo faritra amin'ny morontsiraka atsinanan'i Madagasikara... ♦ Governemanta tsy mitanila, hanomana fifidianana no takiana, raha hisy ny fanovàna izany hoy ny antoko MFM, izay no hampisy fifidianana madio sy mangarahara ary eken'ny rehetra... ♦ Tataovan-doza noho ny kolikoly ny hazo sarobidy eto amintsika. Faritra hisian'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna betsaka indrindra ny any Menabe, raha ny fanadihadiana nataon'ny Transparency International Initiative Madagascar...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco