Manova zavatra sy manatsara fiaraha-monina ny fitiavana sy ny fifanajana. Entanina ny rehetra hanao ezaka hiaina sy hametraka fitiavana ao am-po, hampirindra ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Tsy mifanohitra amin'ny lalam-panorenana ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ny 09 nôvambra sy ny fihodinana faharoa ny 20 desambra 2023 hoy ny Fitsaràna avo momba ny lalam-panorenana. Nivoaka omaly ny fampahafantarana izany... ♦ Mitombo iray indray ny antoko pôlitika eto Madagasikara. Nampahafantarina omaly ny fijoroan''ny Anjomara sy Rivo-Baovao na ny ARB tarihan'ny filohany Raobelina Andry... ♦ 50 mahery ny isan'ireo karazana tsaho niely momba ny Covid-19 raha ny fanadihadiana nataon'ny Ilontsera tamin'ny Faritra telo teto amin'ny nosy, dia ny tao Vakinakaratra, Matsiatra-Ambony ary Anosy...

Ny tarigetra-piainana nomen’i Jesoa antsika dia ny hoe “ny hanompo fa tsy ho tompoina.” Ny fiainana ny maha-kristianina marina dia iainana amin’ny fanampina ny hafa ary ny asa fanompoana araka izany dia azo heverina ho toy ny fitaovana iray handrefesana ny dingana vita eo amin’ny fiainam-panahy. Mitaky fanoloratena lalina ho fitsimbinana ny hafa. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Alakamisy 16 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-33)

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...