♦ Nakantoavin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ny datin'ny 11 desambra hanaovana ny fifidianana Loholona araka ny tolo-kevitry ny Ceni... ♦ Hisokatra amin'ny fomba ôfisialy anio maraina ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono (FIA) andiany fahafito etsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Tafidina hatrany amin'ny 35% ny tahan'ny fanaovam-baksiny ny zaza teto Madagasikara taorian'ny COVID-19, fanamby ny havitan'ny 90% amin'ny zaza Malagasy vita vaksiny hatramin'ny faran'ity taona ity... ♦ Any Gaza : Ankizy maherin'ny 21.000 isa lasa nitondra takaitra, manan-takaitra tsy fidiny vokatry ny ady misy eo amin'i Israël sy Hamas...
Tamin'ny alalan'ny Teniny no nanambaran'Andriamanitra ny tenany. Tsy nitazana fotsiny ny fahalavoan'ny olombelona tamin'ny fahotana Andriamanitra fa tompon'andraikitra amin'izay nohariany Izy, amin'ny alalan'ny famonjerana maro lafy. Na dia nisy aza ny endri-pamaizana samihafa dia nisy ireny mba hitazonana ny fahalavorariana... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Nihazo avy hatrany ny Faritra Menabe ny kabeson'ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roalahy niara-dia taminy, taorian'ny fanomezam-boninahitra natao teny Mausolée omaly... ♦ Manana tanora manampahaizana maro afaka mamaha ny olan'ny famatsiana herinaratra eto amin'ny firenena ny eny amin'ny polytechnique Vontovorona anatin'ny sampam-piofanana génie électrique... ♦ Klioba isany mamoaka mpilalao baolina kitra mahay sy malaza ny CFFA Andoharanofotsy ka hitohizan'ny fahazoana vokatra tsara dia hisy ny fanatsarana ny foto-drafitr'asa hilalaovan'ny tanora...
Tsy fototry ny fahotana fotsiny ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra fa io tsy fihainoana io ihany koa no mahatonga ny fahafatesan'ny olombelona, izay tsy mihaino ny Tenin'Andriamanitra dia anisan'ireo maty mandrakizay izany hoe tsy ho isan'ireo hitsangan-ko velona. Rehefa miala amin'Andriamanitra isika olombelona dia maty anefa mbola miezaka mamonjy antsika amin'ny fomba maro izy Mpahary... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco