Andriamanitra no mpahary, manana adidy hiahy sy hamelona ary hamonjy ny olombelona izay nohariany Izy. Lavo noho ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ny olombelona satria nandika ilay fandraràna (Voankazo voarara). Samy tompon'andraikitra i Adama sy Eva tamin'ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ; isika kristianina ankehitriny raha mitazana fotsiny ny loza mety hahazo ny ralahintsika sy ny namantsika dia meloka... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

• Hahazo “bourse professionnelle” isam-bolana ny mpilalaon'ny Barea, mandram-pahatongan'ny CHAN 2027, raha ny nambaran'ny Filoha Andry Rajoelina androany, raha nandray ny Barea teny amin'ny Lapan'Iavoloha... • Ahiana ho dibo-drano Antananarivo Renivohitra rehefa fotoam-pahavaratra, hihena ihany koa ny voka-bary noho ny fanotofana ny lemak'i Laniera... • Amin'izao herinandro mialoha ny fidirana izao ny ray aman-dreny vao mihazakazaka mampiditra mpianatra eny anivon'ireny sekoly tsy miankina ireny...

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

♦ Marary ny firenena. Miandry asa mivaingana ny rehetra manoloana izany. Isan'ny nivoitra tamin'ny hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny RARINY sy ny FIADANANA, manoloana ny fanamarihana ny iray volan'ny fihariana nanomboka androany... ♦ Nidina indray ny vidin'ny lasantsy sy ny gasoil eny amin'ny toby mpaninjara izany nanomboka androany voalohany volana septambra raha toa ka niakatra kosa ny solitany fandrehitra ; nihena 170 ariary/litatra ny gasoil... ♦ Hanomboka amin'ny alakamisy 4 septambra izao ny FIA hatao etsy amin'ny CCI Ivato. Mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanomanana hoy ny tompon'andraikitra...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...