Hiompana manokana amin’ny fanatanjahantena indray ny Arofanina amin’izao alatsinainy voalohan’ny volana septambra izao. Mazava hoa azy, ny baolina kitra! Mendrika ny vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara nandritra iny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao mila ravinahitra any ivelany iny, na ny CHAN 2024. Tafita tany amin’ny dingan’ny lalao famaranana ny Malagasy.

♦ Tontosa tao amin'ny Diôsezin'i Morondava ny androm-pirenen'ny olon-dehibe andiany faharoa. Androm-pirenena nandritra ny telo andro nofaranana tamin'ny Sorona Masina fanirahana omaly. Afaka efa-taona indray ny andiany fahatelo... ♦ Noraisin'ny vahoaka Malagasy tamin'ny fitsenana makotroka omaly ny Barean'i Madagasikara avy niatrika ny CHAN tatsy Kenya. Laharana faharoa tompon-daka lefitra tamin'ity taona ity ny Malagasy... ♦ Mankalaza ny faha-10 taona nijoroana ny hetsika ROHY. Tamin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana teny amin'ny FJKM Ambatonakanga no nanombohana ny fankalazana...

Teny tokana Andriamanitra, Jesoa teny tokan'Andriamanitra, tsy misy toa azy ary tsy misy azo ampitahaina aminy, Masina sy lavorary. Tsy mitovy amin'ny fahalavorarian'Andriamanitra ny fahalavorarian'izay rehetra nohariany, eny fa na ny olombelona aza. Ny andro fahaenina no naharian'Andriamanitra ny olombelona, fa tamin'izany ihany koa no nahariany ny biby fiompy izay fanao sorona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

"Teny" mihitsy no naharian'Andriamanitra an'izao tontolo izao, araka izay voalaza ao amin'ny Jenezy, mitantara ny nahariana an'izao tontolo izao. Tamin'ny nahariana an'izao tontolo izao dia niteny Andriamanitra ary izay noteneniny sy tiany dia nisy. Isaky ny faharian'Andriamanitra tao anatin'ny 6 andro misesy dia nofarany hatrany tamin'ny hoe "ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany" ... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...