Ny "korambe" dia karazan-dahabolana miendrika tantara fohy fanaon'ny foko betsimisaraka-avaratra, ao amin'ny faritra Analanjirofo sy ny manodidina. Lahabolana entina manalanala andro, izay mety hitarika ady hevitra na fampihomehezana. Mitovitovy amin'ny angano izy saingy fohy. Korana = resaka na resadresaka, ahazoana matoanteny hoe " mikorana - miresaka - mitafatafa". Matetika, manomboka amina fanontaniana ary miafara amina fanontaniana ny fitantarana mba hiteraka ady hevitra ; maharitra 3-5 minitra ny faharetan'ny tantara iray...

♦ Hampahafantatra ny pôlitika ankapoben'ny Fanjakàna eny Tsimbazaza anio ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo. Hovoaboasana amin'izany ireo laharam-pahamehan amin'ny fitakiam-bahoaka... ♦ Ministra miisa 6 indray omaly no nampahafantatra ny vinany tamin'ireo Solombavambahoaka nandritra ny fiantsoana azy ireo teny Tsimbazaza... ♦ Tsara ny vokatra azon'ny Barean'ny Madagasikara omaly tamin'ny lalao ara-pirahalahiana tany Turquie. Lalao nafahana nanandrana tetik'ady vaovao, hiatrika ny fifanitsanana CAN 2027 amin'ny volana marsa... ♦ Mila famatsiam-bola hatrany amin'ny 70 miliara Euro i Eukraine mandritra ny taona 2026, hiatrehana ady amin'i Rosia...

Aoka ny Eveka hikarakara mba hisy fiofanana litorjika ho an'ny pretra efa miasa amin'ny asa pastoraly. Mila fampahatsiahivana sy fanavaozana tsy tapaka ny pretra amin'ny fankalazana. Tokony hisy fivoriana, fianarana, retraites spirituelles ho amin'ny fanavaozana ny fahaiza-mitarika amin'ny Litorjia. Ny pretra dia miaina ao anatin'ny fanavaozana mitohy... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

• Hahazo vahana amin'ny ankapobeny ny volon'andro fahavaratra amin'ity herinandro ity, raha ny vina avy amin'ny Météo... • Andiana Minsitra fahatelo namaly ny antson'ny Solombavam-bahoaka teny Tsimbazaza androany, ireo Minisitra enina misahana mivantana ny sosialim-bahoka... • Manao antso avo amin'ny fampahafantarana mialoha ireo fandaharam-potoana amin'ny fikaonan-doham-pirenena ny Vovonana VOIFIRAISANA...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...