♦ Baraingo mipetraka ny ho tohin'ny fikasan'i Clémence Rahariniriana sy Alban Rakotoarisoa hanao hetsika eny Ambohijato amin'ny alakamisy izao... ♦ Tsy marina ary tsaho ny feo mandeha hoe misy asidra ny rano any amin'ny faritra atsinanana... ♦ Notanterahina teny amin'ny kaominina Tanjombato nanomboka androany ny fanamarihana nasiônaly ny andro maneran-tany ho an'ny fanadiovana... ♦ Miomana hatrany amin'ny fanafihana ny renivohitra Gaza ny tafika israeliana amin'ity sabotsy ity...
♦ Arahi-maso ara-pitsarana ary miandry ny fotoam-pitsarana amin'ny 30 septambra i Alban Rakotoarisoa sy Clémence Rahariniriana, izay nanaitra ny olom-pirenena manoloana ny delestazy mbola mitohy mandraka ankehitriny... ♦ Maro ireo ambana mahazo ny sokatra an-dranomasina sy ny ahi-dranomasina any amin'ny faritra avaratra andrefan'i Madagasikara ka arovana ao anatin'ny tetik'asa ARO FANO... ♦ Nisy indray ny fanohitohinana sy fanilikilihana ireo mpanao gazety teny Mahamasina, raha toa ka mbola tsy nandrenesana tohiny ilay tranga teny Anosikely... ♦ Nanao fanambaràna amin'ny fisian'ny fiaramanidina manitsaka ny habakabaka Estoniana i Rosia...
• Miompana amin'ny fanofanana ny tanora sy ny mpampianatra, ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao, eo amin'ny sehatra teknolojika ny fiaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ary ny Huawei Madagascar... • Nahafahan'ireo vondrom-paritra eto Madagasikara nifampizara traikefa sy fahaiza-manao, amin'ny fitantanana ny Faritra sy ny Kaominina misy azy, ilay fikaonan-doha momba ny fiara-miasa mahakasika ny vondrom-paritra teo amin'i Frantsa sy i Madagasikara... • Tsy tokony atao ho sakana amin'ny firosoana amin'ny fifidianana Loholona, ny tsy mbola fahafenoan'ireo mpifidy vaventy izay tokony handray anjara amin'ny fifidianana, hoy ny Ben'ny Tanana iray...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco