• Nitombo hery ka lasa rivodoza indray i Jude. Tombanana hiditra ao amin'ny Distrikan'i Toliara voalohany sy faharoa, amin'ny tanjaka “Forte Tempête Tropicale” izy rahampitso... • Tsy nifarana tao anatin'ny fivoriambe fankatoavana ny teti-bola, fa mbola nitohy teo ivelan'ny lapa nivoriana ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ireo samy milaza ho mpanohitra ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... • Namoaka fanambarana ny sendikà SECES Sampana Antananarivo, eo anatrehan'ny fifidianana isan-tsokajiny, tanterahana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo...
• Mbola mampisalasala ny fampiharana ny lalana vaovao mifehy ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katolika... • Mijoro manohitra ny fikasan'ny orinasa iray hitrandraka “Terres rares” any amin'ny tangoronosy Ampasindava, Distrikan'Ambanja, ireo vondron'olona ifotony sy ny fiarahamonim-pirenena... • Mpilalao vaovao miisa dimy no nantsoin'ny mpanazatra Corentin Martins, handrafitra ny Ekipam-pirenena Malagasy Barea...
13 marsa — I Rodrigue dia pretra espagnol, teraka tao Cabra akaikin'i Cordoue Espagne. Nohamasinina ho pretra izy ka natao miafina ny fanamasinana azy satria mbola nobaboin'ny Sarrasins ny toerana nisy azy ireo tamin'izany fotoana izany.
13 marsa 2025 — Alakamisy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 7-12)
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco